- Publicité -
dimanche 26 juin 2022
DomicileFaits-DiversAlasora : Fatin-dehilahy nihoson-drà hitan’ny pôlisy

Alasora : Fatin-dehilahy nihoson-drà hitan’ny pôlisy

Lehilahy iray manodidina ny 28 taona any ho any, hitan’ireo pôlisy nanao fisafoana teny amin’iny faritra Alasora iny, ny alin’ny zoma lasa teo. Lehilahy iray, izay efa vatana mangatsiaka mihoson-drà sisa.

Ny zoma lasa teo tokoa mantsy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia nahatsakaritra olona iray hafahafa fihetsika nanosika « môtô Jog pro » iray avy any Alarosa ireo pôlisy nanao ny asa mahazatra azy andavanandro, teny amin’iny faritra iny. Mazava ho azy, tsy maintsy nosakanan’izy ireo ilay lehilahy ary nosavaina. Imason’ny firongatry ny mpangalatra môtô amin’izao fotoana izao tokoa mantsy, ka tsy fantatra intsony izay olon-dratsy sy tsy izy. Indrindra, fa tamin’io fotoana io, nampiahiahy ilay olona nanosika ilay môtô no ambonin’izay, mbola nahitan’ireo pôlisy rà misafolitika ity farany. Ity toe-javatra iray ity no avy hatrany dia nanintona ny sain’ireto mpitandro filaminana, ka nitondrana io lehilahy io tany amin’ny birao mba atao famotorana. Voalazan’ny loharanom-baovao hatrany, fa « rehefa nanontaniana izy, dia nilaza fa tsy azy ilay moto fa an’ny rahalahiny izay mamo ka naratra noho ny lozam-pifamoivoizana; izay nahazo ity farany ary izay no nampisy lio ilay moto ». Valin-teny somary hafahafa ihany raha dinihana : izany hoe naratra io voalazany ho rahalahiny io ary navelany tany fa ny môtô-ny no nentiny.

Araka ny loharanom-baovao hatrany, taorian’izay tranga hafahafa izay, dia nisy ny fanantanterahan’ireo pôlisy miasa eny amin’iny faritra iny ny fisafoana mahazatra eny amin’ny manodidina. Heverina ihany koa, fa efa nampilazana mahakasika ity tranga ity izy ireo, ka avy hatrany nivanta teny amin’ny toerana voalazan’ilay lehilahy tratra nanosika ilay môtô. « Ora iray taorian’izay anefa, dia nahatsikaritra diana lio ireo polisy nanao fisafoana teny amin’ny manodidina teny ». Mety hisy fifandraisany tamin’ny voalazan’ilay lehilahy any amin’ny birao ka nanomboka teo ny fikarohana rehetra. Tsy lavitra teo tokoa no nahitana lehilahy iray nitsirara, manodidina ny 28 taona any ho any. Naratra sy mihoson-drà tanteraka. Nampanantsoina avy hatrany moa ny mpitsabo sy ireo pôlisy hafa, ka fantatra tamin’izay, raha ny loharanom-baovao hatrany no hinoana, fa tena nisy nifandraisany amin’ilay raharaha voalohany. Fantatra teo mantsy fa tena tompon’ilay môtô io lehilahy io, saingy hoe tsy araka ny voalaza hoe « naratra fotsiny izy io » fa efa namoy ny ainy. Mbola mitohy manao ny fanadihadiana rehetra sy ny fakàna am-bavany ilay voalaza fa rahalahiny ireo tompon’andraikitry ny filaminana amin’izao, hahafantarana marina ny tena zava-nisy. Andrasana araka izany izay mety ho tohiny …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici