- Publicité -
lundi 27 mars 2023
DomicileFaits-DiversFanafihana teny Androndra : Vehivavy iray voaolana, lehilahy roa naratra

Fanafihana teny Androndra : Vehivavy iray voaolana, lehilahy roa naratra

Nisehoana fanafihana narahina fanolanana teny Ampamatanana Androndra ny alin’ny alahady teo. Jiolahy enina tsy nisaron-tava nirongo basy nanafika tokantrano iray. Renim-pianakaviana iray voaolana, lehilahy roa hafa naratra tamin’izany. Voaroba tamin’izany ny vola tao amin’ireo eni-mianaka tao an-trano sy ny finday miisa efatra ary ny « écran plat ». Voalaza fa niditra teo amin’ny vavahadin’ny trano ny lehilahy iray nirongo basy. Tsikaritry ny tompon-trano izany ka aikitra nifampisintonana ny varavaran’ilay trano. Nanapoaka basy ny jiolahy noho izany. Mbola niantso ireo namany hafa tsy lavitra teo ihany koa. Vokany, tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy, voatsilo « lampe de poche » ny mason’ny tompon-trano ka tsy nahitany ny endrik’ireo jiolahy. Tsy vitan’ny fandrobana fa mbola nanao herisetra ireo olon-dratsy. Voaolan’ny iray tamin’ireo jiolahy ny vehivavy iray na niezaka nanohitra aza. Mbola novelesina ny « barre à mine » ihany koa ny lehilahy iray, ary voatoraka tamin’ny biriky ny namany. Efa tamin’ny 2 ora maraina vao nampandre mpitandro filaminana ireo voatafika. Tonga teny an-toerana ny polisy, tsy nahatratra intsony ireo olon-dratsy na niezaka nanao ny fanarahan-dia aza. Miakatra ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika na an-drenivohitra na ambanivohitra, akaiky ny fety, mila mitandrina ny rehetra. Aiza ho aiz any mpitandro filaminana. Mandeha ny fandihadiana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Deci-delà

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici