Nivadika ho jiolahy tao anatin’ny fotoana fohy ireto mpanjifa, nanofa ny fiara « sprinter » iray, niala avy Antananarivo, hihazo an’Ambositra. Maty voatsindrona antsy tamin’izany ny mpamilin’ilay fiara sy mpamily iray hafa mpanampy azy, omaly.
Ny hamono ireto roalahy ireto mihitsy angamba no tetik’ireto olon-dratsy tamin’io fotoana io. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana mantsy dia toa hoe tsy nisy nanombinana na ny vola na ny entana, eny fa na hatramin’ny fiara aza dia navelan’ireo olon-dratsy teo rehefa vita ny nataon’izy ireo. Sivy ireto olon-dratsy ireto, raha ny vaovao hatrany. Ny zava-nisy : niainga teto an-drenivohitra izy ireo. Nanofa fiara « sprinter » iray, manao zotra nasionaly mihazo an’izany faritra izany ary niainga teto izy ireo ny harivan’ny alakamisy teo. Voalazan’ny vaovao fa « nilaza ho mpanao trano any amin’iny faritra iny izy ireo ary toa hoe mbola misy olona hafa raisina aza tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao ». Nilamina tsara ny dia hatreo, saingy rehefa tonga tao Antsirabe izy ireo dia toa tsy tonga akory ireto olona nandrasana sy voalaza fa ho raisina. Nitohy teo no ho eo ihany araka izany ny dia, hihazo an’Ambositra. Nony tonga teo Andalamahitsy, ao anatin’ny distrikan’Ambositra anefa no nivadika ho biby ireto « mpanjifa », tokony ho tamin’ny efatra ora maraina teo. Satria tsy tahotra tsy henatra fa dia notsatohin’izy ireo ny antsy izay efa tsara afina tany amin’izy ireo izy roalahy mpamily. Niletra lalina ny antsy ho an’ilay lehilahy teo 48 taona teo anoloan’ny familiana ary nahazo taova saro-pady. Tsy nahagiaka akory izy fa dia nifantsitsitra ny rà ary nitolefika, maty tsy tra-drano ity rangahy ity. Nahazo ny anjarany ihany koa ilay mpamily mpanampy azy, saingy tamin’io fotoana io, eny fa na dia naratra mafy vokatr’izay tsindrona antsy izay aza izy dia mbola nisy aina kely ihany. Ireo olona nahatsikaritra ny zava-nisy no nampiantso ireo tomponandraikitry ny filaminana ary niezaka nitondra ity naratra ity tany amin’ny hôpitaly. Indrisy anefa fa ora maromaro taty aoriana dia nitolefika namonjy ilay namany ihany koa ity farany. Eny fa na dia teo aza ny famonjena nataon’ireo mpitsabo. Heverina fa be loatra ny rà very taminy.
Ny somary nahagaga ny rehetra dia tapitra nitsoaka avokoa ireo olon-dratsy rehetra tao anaty fiara, raha vantany vao vita ny asa ratsin’izy ireo. Tamin’ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana dia efa atifiara nisafolitikin’ ny rà sy ireo roalahy namoy ny ainy sisa no tratra teo. Efa natao teo no ho eo ihany moa ny fitsirihana ny zava-nisy sy ny fanokafana ny fanadihadiana mahakasika ity vono olona feno habibiana ity. Efa mandeha torak’izay ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Ny razan’ireto roalahy ireto kosa dia efa nomena ny fianakaviana taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tomponandraikitra.
m.L