Trano iray no may, rava tanteraka rehefa nilatsaham-potaka tao amin’ny kaominina Andranomisa Anjozorobe ny alakamisy teo. Tovolahy iray no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’izay.
Raha ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia ain’olona faninefany indray no nafoy, amin’izao andro fahavaratra izao, vokatry ny hetraketraky ny natiora. Ankoatr’ilay teny Manandriana Avaradrano, izay nisiana zaza telo mianadahy maty nilatsaham-potaka, andro vitsy lasa izay, fantatra ihany koa fa namono olona sy nandrava fananana ny varatra tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny olom-boafidy avy any an-toerana. Ny alin’ny alakamisy teo no nitranga ny loza, tao amin’ny tanàna kely antsoina hoe Ankisatra, fokontany Ankokaina, kaominin’ Andranomisa, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any.
Efa hiarahan’ny rehetra mahalala any an-toerana fa fahasiahan’ny varatra any. Hany ka raha vao manomboka mitselatra fotsiny ny andro, dia efa tapitra sy miezaka mihidy aman-trano avokoa ny rehetra. Tamin’ity indray mitoraka dia saika efa tapi-mandry avokoa ny olona teo an-tanàna no nirefotra indray mandeha ny varatra. Nilatsaka tamin’ny tokantrano iray teo an-toerana. Niditra teo amin’ny valin-drihan’ilay trano ary nandoro ny trano sy ireo fianakaviana kely tao anatiny. Tovolahy iray vao 16 taona monja no namoy ny ainy tao anatin’izay ary vehivavy roa hafa no naratra mafy, may. Kila hotohoto tsy nisy noraisina intsony kosa ilay trano, eny fa na dia teo aza ny ora-mikija sy ny famonjena nataon’ireo fokonolona, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny Ben’ny tanàna any an-toerana. Ity farany, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy dia efa nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy, nitondra ny teny fampaherezana ary nitondra fanampiana ho an’ireto fianakaviana tra-pahavoazana ireto. Tetsy andanin’izay dia miantso ihany koa ny tenany ho an’ireo izay tsara sitrapo mba hijery ireto fianakaviana ireto.
m.L