- Publicité -
jeudi 23 mars 2023
DomicileFaits-DiversTsarasaotra : Ankizivavy mpianatra nandeha bisikileta voadonan’ny fiara

Tsarasaotra : Ankizivavy mpianatra nandeha bisikileta voadonan’ny fiara

Ankizivvavy mbola mpianatra, hamonjy fodiana nandeha bisikileta no voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra omaly hariva. Mafy ny fandonan’ny ilay fiara azy, satria nipitika mihitsy ilay zazavavy, ary tsy tafarina intsony. Ny bisikiletany niforitra mihitsy. Naratra mafy ilay mpianatra ary voatery nalefa haingana teny amin’ny HJRA. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana ity loza ity. Hita teny aminy fa mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa eny Ivato io zazavavy io. Notanana avy hatrany ny mpamily ny fiara nandona. Ity lalam-baovao eny Tsarasaotra ity izay ahitan-doza matetika mihitsy. Mazàna no mitsoaka ny fiara nahavanon-doza, noho ny lalàna malalaka sy mihevitra fa tsy misy mahita. Vao ny herinadro teo no nisy Sprinter nifaoka raim-pianakaviana ka nitsoaka ihany koa. Efa fantatra ny momba ny fiara ary efa manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Tsara ho fantatra fa fandikan-dalàna ny fitsoahana raha mamoa-doza ny mpamily iray. Mampiditra am-ponja herin-taona ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina miampy lamandy izany, araka ny didy aman-dalàna famaizana malagasy. Zon’ny fianakavian’ny mana-manjo ny mitory ny mpamily nitsoaka, raha mitranga ny loza.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici