Lehilahy efa nahazoazo taona ihany no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo, noho ny resaka vaky fiara. Voalaza fa ity farany no lehiben’ireo mpamaky fiara eny amin’iny faritra Ivandry sy ny manodidina iny ary manana andian-jatovo marobe voahofana manokana amin’izany ingahirainy.
Omaly maraina izy no natao sarika am-pandriana teny amin’iny faritra Antohomadinika iny, raha efa voasambotra afak’omaly kosa ny sasany amin’ireo andian-jatovo miaraka aminy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany dia efa manana paik’ady manokana mihitsy ingahy sy ny ekipany amin’izany fandrobana fiara, izay mipetraka eny an-tsisin-dalana eny amin’iny faritra voalaza etsy ambony iny. « Manatona moramora ilay mpamily rehefa hitany nivoaka ny fiara ilay olona niaraka tamin’ilay mpamily. Lazain’ity rangahy ity amin’ilay mpamily àry fa nianjera ao aloha ao ilay olona niaraka taminy ka maratra mafy ary mila bataina malaky hamonjy hopitaly. Amin’ny maha olon-dehibe azy dia matetika mino azy ny olona ka mikoropaka maheno ilay vaovao ary adino hatramin’ny manidy ny fiara ka hararaotin’ity rangahy ity » hoy hatrany ny vaovao. Efa maromaro ihany no efa lasibatr’ity rangahy tsy mifaditrovana ity teny amin’iny manodidina iny ary ny vao haingana dia nahazoan’izy ireo solosaina fentin-tanana sy poketra. Nifanenjehan’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana moa ry zalahy ka io voasambotra io ny iray, tetsy Ivandry. Ity farany no nanoro ny nisy ilay lehibeny ary dia izao niafara tamin’ny fisamborana azy izao ihany koa. Mbola mitohy hatrany moa ny fikarohana ireo naman’izy ireo hafa, izay heverina fa hovoasambotra tsy ho ela ihany koa.
m.L