- Publicité -
mercredi 10 août 2022
DomicileFaits-DiversAmbohimahasoa : Kalachnikov roa sy Mas 36 nisy nanatitra tao amin’ny kaomisaria

Ambohimahasoa : Kalachnikov roa sy Mas 36 nisy nanatitra tao amin’ny kaomisaria

Fitaovam-piadiana Kalachnikov roa miaraka amin’ny fahana iray sy bala roa, Mas 36 iray ary basy vita gasy no nisy nanatitra tao amin’ny kaomisaria Ambohimahasoa, ny herinandro teo. Olona nipetraka tao amin’ny faritra Sahatona Ambohimahasoa  no nitazona ny basy Kalachnikov iray ka taorian’ny fanentanana dia tapa-kevitra nanatitra izany ny tenany. Araka ny fantatra raha tao anatin’ny taona iray, miisa 46 ny basy vita gasy ary efatra kosa ny Kalachnikov nisy nanatitra sy voarain’ny kaomisaria Ambohimahasoa. Nanamafy izany Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Matsiatra Ambony ny kaomisaria Randrianasolo Pascal.

Tsiahivina fa ny taona 2020 dia nanao antso avo sy nanentana ireo izay mbola manana sy mitahiry fitaovam-piadiana ny fitondra-panjakana mba hanatitra izany eny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Nisy nanamly antso ary nahitam-boakany izao namerenana ireto basy mahery vaika ireto.

Yv Sam

- Publicité -
Jovena
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici