- Publicité -
MG
mercredi 17 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversJean Freddy : Feno 20 taona ny nahafatesany

Jean Freddy : Feno 20 taona ny nahafatesany

16 may 2001 – 16 may 2021. Nankalazaina ny faha-20 taona nahafatesan’i Jean Freddy. Teraka ny 03 marsa 1952 ny tenany, tao Ampasina Maningory, distrikan’i Fenerivo Atsinanana, ary maty teo amin’ny faha-49 taonany. Mpanakanto nampivoatra ny hira mateza ity mpanakanto ity. Isan’ny mpanakanto nasodrotry ny trano famokarana “Kaiamba” izy tamin’ny fotoana nampalaza azy, ka isan’ny hira nahafataran’ny olona azy ny “sigara mantola”, ny “gorisagorisa”, ny “tambitamby lava”…ary ny “tsy anjarantsika roa”.

Mpikambana teo amin’ny tarika miarema, tao Fenerivo atsinanana, i Jean Freddy, ka ny taona 1970 no tena nampalaza azy teo amin’ny sehatry ny fihirana ity. Ny taona 1974 kosa no teraka ny tarika notarihan-dRabemanantsoa Bertrand Régis, na Dédé Fenerivo. Ny ben’ny tanàna, Laingo Ralijaona, izay ben’ny tanàna faharoa tany an-toerana, no nanangana ny tarika tamin’izay. Nisy 9 mirahalahy izy ireo tao anatin’ny tarika Miarema tamin’izany, dia i Jean Freddy, Dede Fenerivo, Senta Dénis, Bevalala Bernard (Masako), Rabeson (Meda), Rajao Simon, Veve, DodoVenore, ary i Benomo.

Ny dimy amin’ireto mpanakanto tao amin’ny tarika Miarema ireto no mbola velona amin’izao. Tao amin’ity tarika ity no namoahan’i Jean Freddy ny hira isan’ny nampalaza azy ny taona 70, ka isan’ireny ny “Mafy be” sy ny “Ma Bonne Etoile”. Isan’ny nampiavaka an’i Jean Freddy teto Madagasikara ary nahafantaran’ny olona azy ny feony miavaka sy ny fahaizany mitendry gitara. Nandritra ny fankalazana ny faha-20 taona nahafatesany dia naverina nalefa teo anivon’ny onjam-peo tao Fenerivo Atsinanana sy tao Analanjirofo ireo hira nahafantara an’izany mpanakanto Jean Freddy izany, ka maro ireo nijoro vavolombelona.

Isan’ny izany ny tale jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, Atoa Razafiarison Francis, izay nilaza fa olona mahay mitondra ambiansy amin’ny hira entiny i Jean Freddy. Isan’ireny ny hita “gorisagorisa” sy ny “sigara mantoka”…ary ny “amia dite tantine”. Mihevitra ny olona fa tsy misy dikany ireny nefa nitondra ambiansy tamin’ireo naheno sy mpankafy azy. Ho an’i Jaojoby Eusèbe kosa dia nomarihany fa mozika misy fanahy no nataon’i Jean Freddy fa tsy hita fahatany akory. Io fisian’ny fanahy tamin’ny hirany io no nampateza ny hira nataony. Fampisehoana ny taona 2001 tao Mahambo no fampisehoana farany nataony talohan’ny nahafatesany.

Ankoatra izany dia niaiky avokoa ireo mpanakanto nandray anjara tamin’izao hetsika ho fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jean Freddy izao, fa tsy mbola misy mpanakanto mahasolo an’i Jean Freddy hatreto , na amin’ny feo izany na amin’ny fahaizana mamoron-kira, ka izany no nampateza ny hira sy ny mozika nataony rehetra hatramin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici