- Publicité -
dimanche 14 août 2022
- Publicité -
MG
DomicileFaits-DiversCisco Antsirabe : Tsy mety tontosa ny famindram-pitantànana

Cisco Antsirabe : Tsy mety tontosa ny famindram-pitantànana

Niteraka resa-be ary mbola tsy nahitana vahaolana ny tsy fahavitan’ny fifamindram-pitanana eo anivon’ny faripiadidiam-pampianarana Antsirabe I. Raha ny angom-baovao voaray dia tsy misy olana  eo amin’ny roa tonta, ny filohan’ny CISCO teo aloha sy ny vao hiditra, fa idiran’ny resaka politika ny raharaha. Raha toa ka ny  28 aprily 2021 no voalaza fa nivoahan’ny taratasy avy tamin’ny ministera mampiato ny lehiben’ny Cisco Antsirabe I dia ny ny 6 may kosa no samy nampahafantarina ny roa tonta. Araka ny vaovao voaray hatrany dia ny zoma 7 may 2021  no nandalo tao amin’ny faripiadidiam-pampianarana ny sefo CISCO vaovao nitondra ny taratasy fanendrena  sy nampilaza fa hiroso  amin’ny famindram-pitantanana ny alatsinainy 10 may 2021. Ny alahadin’io anefa dia nilaza ny DREN fa ajanona aloha ny famindram-pitantanana ary hatramin’izao dia tsy tontosa izany. Raha ny fantatra dia resaka politika no antony. Mpitondra iray goavana eto Vakinankaratra sy mpiara-miasa aminy akaiky no voalaza fa ao ambadik’ity raharaha ity. Nambara  mantsy fa tsy olony ity notendrena ho lehiben’ny Cisco eto Antsirabe I ity ka tsy ekeny . Marihina anefa fa samy IRD avokoa ireo olona ireo fa tsy hafa akory. Tsikaritra rahateo fa somary efa  mibaribary ihany ny tsy fitovian-kevitra sy fomba fijerin’ny  olomboafidy sy olona notendrena eto amin’ny tanànan’Antsirabe, na dia samy ao anatin’ny fitantanana aza izy ireo. Andrasana noho izany ny tohin’ny raharaha.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Flash-Eco

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici