- Publicité -
vendredi 31 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversPullman Ivandry : Mpangalatra tratra ambodi-… voninkazo

Pullman Ivandry : Mpangalatra tratra ambodi-… voninkazo

Mamba noana tanteraka ireo tontakely ary tsy mifidy harapaka intsony. Ireny toeram-pivarotana voninkazo ireny indray mantsy no nokasain’ity lehilahy iray ho vakiana tetsy Ivandry Pullman ny faran’ny herinandro lasa teo. Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny anefa ranamana, tsy afa-nitsoaka intsony. Asa izay nandalo tao an-dohan’ity lehilahy 37 taona ity tamin’io fotoana io, ka hoe fivarotam-boninkazo no handeha hovakiana. Angamba nikasa hanaingo zaridaina kanefa tsy nanam-bola hividianana voninkazo sa mitady felana ho an’ny olon-tiany ? Fa dia tsy tahotra tsy henatra mihitsy izy, hanapitsoka ilay varavarana tetsy amin’ilay toerana vaovao natokana ho an’ny fivarotam-boninkazo sy voankazo tetsy amin’ny Pullman Ivandry. Mba tena sahy ihany koa izy satria dia matetika misy mpitandro filaminana mijanona foana eo amin’io toerana io, eny fa na dia amin’ny alim-be aza. Manginy fotsiny ny mpiambina ireo trano lehibe eny an-toerana. Nihevitra angamba izy hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisy fa somary mangina ilay toerana ka afaka nanatanteraka ny asa ratsiny soa aman-tsara ny lehilahy. Ny ora rahateo tamin’io manondro amin’ny iray ora sy sasany maraina. Kinanjo, nipoitra avy ambany avy ireo polisy mpanao fisafoana amin’ny alina. Tsy afa-nandositra intsony ny anao lahy ka dia noraisim-potsiny teo niaraka tamin’ireo fitaovana nampiasainy. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria moa mba atao famotorana ity mpamaky trano hafakely ity.

m. L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici