- Publicité -
vendredi 31 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversBizina rongony : Antsasa-taonina mahery kely no tra-tehaka

Bizina rongony : Antsasa-taonina mahery kely no tra-tehaka

Ankoatry ny bizina, izay tombanana ho an-tapitrisany maromaro any ho any, dia anisan’ny fitaovana iray hampiasain’ireo jiolahy sy dahalo ihany koa ity zava-mahadomelina iray ity. Entina hampisy risika ireo olon-dratsy.

Manoloana ny fiparitahan’ny rongony eran’ny Nosy tokoa dia tsy mitsahatra ny manao ezaka hamongorana izany ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa rongony maina, efa vonon-kaondrana milanja antsasa-taonina mahery teo no saron’ireo zandary, tany amin’iny faritra Sofia sy Ihorombe iny. Ny voalohany tamin’izany, dia tao Maromandia, distrika Analalava, faritra Sofia, rehefa nisy ny antso azon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana mahakasika ny fisiana olona mitaona gony maromaro, feno zava-mahadomelina. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo no nidina avy hatrany tany amin’ilay toerana voalaza ireo zandary, izay notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Maromandia. Teo amin’ny toerana antsoiana hoe Antanimbarihely no nahitàna olona maromaro nampiahiahy tokoa, nilonjehatra gony maromaro, tao anaty haizina. Nditra an-tsehatra avy hatrany ireo zandary ary vaky nandositra ireto olona nilanja gony  maromaro ireto. Gony manodidina ny roapolo teo, ho eo, izay hipoka rongony maina no tao anatiny. Raha ny fanaparitaham-baovao nataon’ny zandary dia tsy nisy tratra ireto olona ireto, saingy kosa namela ireo entana teo. Manodidina ny 498 kilao tany ho any moa ireto rongony ireo rehefa nolanjaina, ary nentina nogiazana, mampandram-piandry ny fanampahan-kevitry ny fitsaràna, ny hanapotehana izany imasom-bahoaka.

Fa tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny ihany koa, ny andron’ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny distrikan’i Ihosy, teo am-pamatrarana ireto zava-mahadomelina ireto mihitsy, tao anaty fiara iray izay efa niandry teo, ireo olon-dratsy no saron’ny zandary. Voalaza fa saika halefa any Fianarantsoa ireto « entana » ireto, no izao tratra izao. Noraisim-potsiny sy tsy afa-nitsoaka intsony moa na ireo mpitaona entana na ilay mpamilin’ilay fiara. Nentina natao andrimaso ho amin’ny famotorana moa ireto farany, ary nogiazana torak’izany ihany koa ireo zava-mahadomelina tratra. « Anterina hatrany fa voarara ny mamboly, ny mitondra, ny mivarotra na ny mividy, ary indrindra ny midoroka ireny zava-mahadomelina ireny. Tsy hitsitsy intsony ny zandarimaria ho an’izay mbola minia manao izany satria mitera-doza ho an’ny fiaraha-monina, mampirongatra ny asan-jiolahy »

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici