Nanomboka ny sabotsy teo, tsy nifarana raha tsy ny alahady maraina, ny fapatapatahan’ny herinaratra teto Toamasina. Efa imbalo izany no tapaka ny sabotsy nanomboka tamin’ny 6ora maraina hatramin’ny 10ora alina. Tamin’ny 2ora maraina ny alahady vao tsikaritra fa “papango” niantona tamin’ny tarobian’ny jirama tao Ambolomadinika, Morarano, Tanambao V, Mangarivotra, Mangarano, no niteraka ilay fahatapatapahana.
Tsy nijanona hatreo anefa ny raharaha satria ilay fahatapatapahana niteraka olona tamin’ny “transformateur” ny Jirama tao Ambalamanasy makaiky ny orinasa CTHC, ka voatery nisy koa ny fanoloana izany noho ny fipoahany. Nambaran’ny talen’ny Jirama Toamasina fa miteraka olona goavana amin’ny fitaovana efa antitra tahaka ny eto Toamasina ity ny faharatsian’ny andro tahaka nitranga ny sabotsy sy ny alahady teo izay oram-be tontolo ny andro. Nanao ny ezaka tao anatin’izay ireo teknisian’ny Jirama Toamasina niasa andro aman’alina nisahana ny fahatapatapahana. Misy tambanjotra fizarana herinaratra 13 mantsy eto Toamasina, izay 3km ny fohy indrindra izay tokana ny isany, raha mihoatra ny 9km hatramin’ny 12km ny lava indrindra amin’izany. Nojerana tsirairay avokoa izy rehetra ireo ny sabotsy teo mba hamantarana ny anton’ny fahatapatapahana teo amin’ny herinaratra. Ankilan’izay dia nambaran’ny talen’ny Jirama Toamasina ihany koa fa misy ny fanoloana andrin-jiro 160 amin’ireo 1.500 ilaina. Tsy maintsy vitaina amin’io volana septambra io ny fametrahana izany; toraka izany koa ireo “transformateurs” 32 izay ao anatin’ny fametrahana azy ny 16 voalohany amin’izao, ka manaraka amin’io volana septambra io ny ambiny 16 hafa indray. Ankoatra izany dia nanamarika ny Jirama Toamasina, fa ampy sy manan’amby amin’ny famokarana herinaratra i Toamasina amin’izao hatramin’ny nahavitana ireo fitaovam-pamokarna simba teo aloha ireo. 32MW ny vokatra misy saingy amin’izao nefa 24MW ny filana eto Toamasina isan’andro, izany hoe manan’amby hatramin’ny 08MW ny eto Toamasina amin’izao.
Malala Didier