Miaramila efa niasa izy ireo ary tra-tehaka nanao hosoka tamin’ny taratasy hidirana ho miaramila indray na ny « rengagement », niampy fanaovana kolikoly. Hatreto dia fantatra fa mahery ny telopolo no isan’ireo ary efa niasa tany amin’ireo toby miaramila nandefasana azy ireo. Mbola vao santatra ihany anefa izay fa tsy maintsy hitohy ny fanadihadiana sy ny fanadiovana faobe eo anivon’ny Tafika Malagasy. Ireo no fantatra nandritry ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika, izay notarihin’ny Major Général des Armées ny Vice-Amiral ASSANY Jeannot, sy ny Tale misahana ny mpiasa eo anivon’ny EMA ny Jeneraly Rakotonirina Lala Jacquis, omaly. Voalaza fa isan’ny vina eo anivon’ny Tafika ny fanafoanana ny kolikoly izay efa nisy ny dingana maromaro natao mba hirosoana amin’izany andro vitsivitsy lasa izay, ary anisan’ny tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ao anatin’izao fanitsiana ara-drafitra eo anivon’ny Tafika Malagasy izao.
Raha ny fantatra dia hosoka teo amin’ny taona ny ankabeazan’ny nataon’ireto zatovolahy ireto, izay efa nihoatra ny 27 taona avokoa, talohan’izao nidirany izao indray, raha toa ka tsy tokony hihoatra izay ireo zatovo raisina handrafitra ny Tafika. Etsy andanin’izany ihany koa ny tsy fanaovana fanompoam-pirenena 24 volana izay tsy maintsy takiana rehefa hanao miaramila. Niara-nanaiky sy niaiky ny zavatra nataony tokoa ireto zatovo ireto fa nisy ny hosoka sy ny kolikoly tamin’ny fampidirana azy ireo ho miaramila. Manoloana izany dia tsy maintsy nandray fepetra henjana ny amin’ny fandroahana azy ireo ireo tompon’andraikitra. Ary tsy vitan’izay, raha ny voalaza hatrany fa tsy maintsy hisy ny fanenjehana araky ny lalàna ireto olona tratra nanao hosoka sy kolikoly, sy izay rehetra voasaringotra ao anatin’izany eny anivon’ny Fitsaràna, raha ny fampahafantarana nataon’ireo tompon’andraikitra ambony ireto hatrany.
m.L