- Publicité -
jeudi 30 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversVatobe 67ha : Efa-dahy nanambana antsy tovovavy, lasa ny finday avo lenta

Vatobe 67ha : Efa-dahy nanambana antsy tovovavy, lasa ny finday avo lenta

Heverina fa efa notilian’ireto efa-dahy ity tovovavy iray nitondra finday avo lenta teny amin’iny faritra 67ha iny. Vao avy nivoaka tao amin’ny mpivarotra enta-madinika iray mantsy ny tenany, tsy lavitry ny fiantsonan’ny taxibe Vatobe, dia nohodidinin’ireto mpanendaka, bandy efa-dahy nitondra antsy, ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any. Tsy nisy alaharo alaharo moa fa avy hatrany dia fandrahonana. Ny iray tamin’ireto olon-dratsy kosa no nisintona avy hatrany ny poketra teny amin’ilay tovovavy. Vao azon’izy ireo dia nitsoaka toy ny tsy teo izy rehetra, namonjy ireo elakelan-trano mahazatra azy. Raha ny fantatra dia io finday avo lenta mitondra ny marika Iphone X Max io no tao anatin’ilay poketra izay lasan’ireo mpanendaka. Tombanana ho any any amin’ny telo tapitrisa ariary latsaka any ho any ny vidiny. Nisy nahatsikaritra moa ny zava-nisy ary ireo  avy hatrany no niantso ny pôlisy niasa tsy lavitra teo. Raikitra teo ny fanenjehana ka ny voasambotra ilay iray nitondra antsy maranitra. Ny ampitson’iny, ny talata, no voasambotra tsy lavitra teo ireo namany telo hafa. Marihana hoy ny fanomezam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena fa tsy ampy taona ny roa tamin’ireto olon-dratsy ireto ary efa mpanendaka hikoizana eny amin’iny faritra iny mihitsy ry zalahy. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa ireo tontakely ireto, mba atao famotorana ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, taorian’ny fakàna am-bavany azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici