- Publicité -
mardi 9 août 2022
DomicileFaits-DiversAmbohimandroso : Raiam-pianakaviana nanolana ny zanany vavy

Ambohimandroso : Raiam-pianakaviana nanolana ny zanany vavy

Zava-doza indray no nitranga tao amin’ny kaominina Ambohimandroso fa dia ny rainy izao no nahavita nanolana ny zanany vavy vao 15 taona monja.

Efa fomba ratsy fanaon’ity raim-pianakaviana ity nY manolana ny zanany vavy ary efa imbetsaka ilay zaza no niharan’ny herisetrany. Tsy vitan’ny fanolanana fotsiny ihany fa daroka sy fandrahonana lava no ianan’ny vady aman-janany.

Tsy sahy nitantara na tamin’iza na tamin’iza ilay ramatoa fa dia niaritra ny habibian’ilay rangahy vadiny teny foana hatrizay.

Teren’ilay rangahy miaraka aminy maka vokatra any an6tsaha amin’ny andro misasakalina ity zanany vavy ka any no anamparany ny filan-dratsiny. Tsy nahazaka ny nahazo azy intsony ity zazavavy kely ka nitsoaka nandositra tany amin’ny renibeny.

Efa fantatry ny havany ihany ity habibiana nataon’ity rangahy ity saingy nisy fotoana efa nifona teo anatrehan’ny fianakaviana izy, saingy taty aoriana dia io mbola mamerina ny hadalany io hatrany.

Fantatra fa ny dadatoan’ilay zaza no nametraka taratasy fitarainana teo amin’ny zandary, ary niroso tamin’ny fanadihadiana ireto farany.

Nikasa ny handositra ity raim-pianakaviana ity rehefa nahare ny fitoriana natao azy. Tsy tafavoaka ny faritra anefa ranamana fa izao voasambotry ny zandary izao ary hatolotra ny fitsarana.

Andry N.

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici