- Publicité -
MG
mercredi 17 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAntsirabe : Fakana an-keriny niharo famonoana olona, voasambotra ny nahavanon-doza

Antsirabe : Fakana an-keriny niharo famonoana olona, voasambotra ny nahavanon-doza

Tovolahy kely vao erotrerony no tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tovovavy iray antsoina hoe Maminirina Charline, izay novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana rehefa tsy nahazo ny vola notakiany izy.

Raha tsiahivina dia ny 25 martsa no nanomboka tsy hita i Maminirina Charline ka nametraka taratasy fitarainanana tany amin’ny polisy ny fianakaviany.

Ny 31 martsa dia naharay hafatra tamin’ny finday ny fianakavian’ilay tovovavy, mangataka 10 tapitrisa ariary raha toa ka tiany ho hita velona i Nirina. Tsy nanana io lelavola io anefa ny fianakaviana. Ny 4 aprily 2021, hita faty teny Andranomanelatra tokoa ilay tovovavy. Tamin’ny fomba feno habibiana no namoana azy, nokendaina tamin’ny tadin-kiraro, ary notetitehin’ilay tsy valahara ny vatany.

Ankoatra izay, nentin’ilay tovolahy nandositra niaraka taminy ihany koa ny rahavavin’ilay maty. Ity farany izay tsy nahalala na inona na inona nandritra izany zava-nitranga izany fa dia nanaiky izay nolazan’ilay mpaka an-keriny.

Ny 4 septambra, naharay antso indray ny fianakaviana, mangataka vola 3 tapitrisa ariary indray raha tsy izay dia hovonoiny koa ny rahavavin’i Nirina.

Nanomboka teo no nahita rirany tamin’ny fanadihadiana ny polisy ka vehivavy roa no voasambotra, fantatra fa iray tsikombakomba tamin’ilay tovolahy mpaka an-keriny. Niroso hatrany ny fanadihadiana lalina ka voasambotra tao Mangaika, kaominina Bongatsara Antananarivo Atsimondrano, ilay tovolahy antsoina hoe Jules niaraka tamin’ilay tovovavy nalainy an-keriny.

Niaky ny heloka vitany moa ity tovolahy ity ary ery efa natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy lasa teo.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici