- Publicité -
jeudi, mai 26, 2022
DomicileFaits-DiversTsy filaminana eto Andrenivohitra : Hamafisina ny fisafoana ataon’ny tafika manerana ny...

Tsy filaminana eto Andrenivohitra : Hamafisina ny fisafoana ataon’ny tafika manerana ny tanàna

Manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy miteraka tsy fahandriam-pahalemana taorian’ny nitsaharan’ny hamehana ara-pahasalamana izay miseho amin’ny endrika maro toy ny sinto-mahery sy ny halatra maro samy hafa izay mahatonga faharatrana ka tonga hatramin’ny famoizana ain’olona, Nanambara ny Komandin’ny Fari-piarovana sy Fandriampahalemana (ZDS) Ikopa, ny Jeneraly Saifoudine Nandrasana fa hotohizana sy hampitomboina ny fisafoana eto amin’ny faritra Analamanga ka misy ny paikady vaovao hapetraka hiadiana amin’ny asa ratsin’ireo jiolahy. Tsy mipetraka amin’ny toby fotsiny ny Miaramaila fa manana andraikitra manandrify azy amin’ny fiarovana sy fitandroana ny filaminana’ny vahoaka. Noho izany, haparitaka amin’ny toerana maro eto andrenivohitra indrindra fa ireo izay nahazoana fitarainana maro ka malaza ratsy amin’ny asan-jiolahy sy ireo toerana mafana ireo miaramila avy ao amin’ny Tafika Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fiambenana ireo Toeram-piantsonan’ireo fiara iombonana sy ny toerana mangingina ahitana trangana tsy fandriam-pahalemana matetika. Izao fepetra izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny fanavaozan-drafitra eto anivon’ny Tafika ka nametrahana ireo faripiarovana sy fandriampahalemana na ZDS ahafahana mametraka mivantana eny an-kianja ireo miaramila avy hatrany. Nohamasin’ny Jeneraly Saifoudine Nandrasana fa mitohy hatrany ny fiara-miasa amin’ireo mpitandro filaminana rahalahy dia ny polisy sy ny zandary.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici