Efa ho isan’andro, ary manerana ny faritra eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny asan-jiolahy. Mirongatra izay tsy izy ny fanendahana sy ny herisetra manaraka izany. Mpitendry vata maroafitsoka iray manana ny maha izy azy no voanendaka sady novonoina rehefa avy nanafana lanonana ny asabotsy teo teny Mahitsy, ka tratra teo 67ha. Raha ny vaovao voaray, izy vao niala fiara teto an-drenivohitra ka saika hihazo ny lalana mody any aminy no narahin’ny vatan-dehilahy maromaro. Efa alina ihany ny andro noho ny lanonana taratara vao vita. Vao tonga tamin’ny toerana mangingina, noendahin’ireo olon-dratsy izy, kanefa niezaka niaro ny fananana teny aminy. Vata maroafitsoka marika Korg X5 tanaty fonony ny teny aminy. Sendra ny be noho ny vitsy anefa ka nanaovan’ireo jiolahy tambabe izy. Niharan’ny vono tanteraka ka tena voa mafy. Ny ainy sisa no tsy nanaraka. Tao anatin’ny fotoana fohy nisehoan’izany rehetra izany. Nitsoaka tsy nisy nanakana ireo olon-dratsy taorian’izay ary lasa tamin’izany ilay Korg. Efa dila kosa ireo vao nisy olona tonga nitondra ilay mpitendry tany amin’ny hopitaly. «Manao antso avo izahay raha misy mivarotra io Korg X5 io fa very tao anatin’ny fanendahana izy io », hoy ny havan’ity mpitendry ity.
Tsy mifidy asina. Isan’andro no ahenoana olona mitaraina fa tratran’ny fanendahana na fanafihana arahina herisetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy mifidy asiana ireo olon-dratsy fa na lahy na vavy, lasibatra avokoa. Vao tsy ela, lehilahy eny ambony moto no voaendaka teny Anosy raha vao nilatsaka fotsiny ny alina. Sady naratra ilay tompona moto no very ny fananany. Nazeran’ireo olon-dratsy izy ary narahina vono izany. Avy eo nentin’ireo nitsoaka ny moto. Andro vitsy talohan’io, teo Ampasampito, olona ao anaty fiara no voaendaka. Lasa ny kitapo nisy taratasy sns. Tao anatin’ny fotoana fohy ihany koa no nitrangan’izany. Teny 67Ha, vehivavy iray narahin’ny jiolahy ka nanambana azy ny antsy. Nahavita nanosika ilay tovovavy ary tafatsoaka tany anaty toeram-pivarotana. Manao ny asany ihany ny mpitandro filaminana manolona izany, ary manampy ny polisy miasa eto an-drenivohittra ny miaramila amin’ny fisafoana sy ny fijanonana amin’ireny toerana heverina fa mafana ireny. Mandalo ihany anefa izy ireny ka mety efa hain’ireo jiolahy izay fomba fiasa izay. Eo ihany koa ny fidadasiky ny fokontany ka mety tsy ho araky ny mpitandro filaminana avokoa. Tsy misy koa ny andrimasom-pokonolona eto an-drenivohitra. Samy mitandrina ny rehetra manolona izany.
Yv Sam