- Publicité -
mercredi 22 mars 2023
DomicileFaits-DiversFangalarana zaza « albinos » : Tratran’ny zandary ny mpanao bizina amin’izany

Fangalarana zaza « albinos » : Tratran’ny zandary ny mpanao bizina amin’izany

Indroa izay no nisy ny sarona tamin’ny famarotana zaza varira (albinos) tany atsimo. Ity indray mitoraka ity dia tany amin’ny faritra Androy no nitranga ary tsy tontosa ilay varotra noho ny fahamiloan’ny zandary tany an-toerana. Nisy ramatoa iray izay nilaza fa manana zaza varira miisa roa. Niampita io feo io ary tonga teny am-poton-tsofin’ny zandary izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Natao ny vela-pandrika rehetra ary voasambotra ilay ramatoa. Ny voalohany natao taorian’izay dia ny fikarohana faran’izay haingana izay nisy ireo zaza varira mba ho fiarovana ny ain’izy ireo. Tany amin’ny tanàna antsoina hoe Maroalopoty, ao amin’ny distrikan’Ambovombe no nisy azy ireo. Ny iray fito taona ary ny faharoa 21 taona. Noraisina ny fepetra dia ny fitondràna ireo olona tany amin’ny biraon’ny zandary tao Ambovombe. Isan’ny noentina tao koa ny ray aman-drenin’izy ireo sy izay mety ho vavolombelona tamin’ity raharaha fikasàna hivarotra zaza varira ity. Taorian’izay indray dia nisy ny fikarohana ireo izay mpiray tendro tamin’ilay ramatoa nitady mpividy zaza varira. Voasambotra tany Amboasary-Atsimo ireo olona telo. Anio no hatolotra ny fampanoavana ao Faradofay ireo olona efatra noho ny fikasàna haka an-keriny hivarotra olona (zaza albinos). Mpitandro ny filaminana izay avy amin’ny vondrona maromaro (mixte) no nisahana ny fanadihadiana ny raharaha. Mitady hahazo vahana ity fakàna an-keriny sy famarotana zaza varira ity any Atsimo. Mbola tsy voafaritra mazava kosa ny tena antony. Ny tokony mahamailo dia ny fisian’ny tambajotra iraisam-pirenena amin’ny fivarotan’olona. Sanatria ve voakasik’izany ny zaza varira? Sa kosa entina hanaovan’ireo mpanompo samy hanaovana fombafomba? Mila fanafihadiana alefa lalindalina kokoa.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici