- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
DomicileFaits-DiversSakaraha : Loham-behivavy tapaka, nisy nanary teo amin’ny tetezana Soarano

Sakaraha : Loham-behivavy tapaka, nisy nanary teo amin’ny tetezana Soarano

Loha tapaka efa nanomboka ho maina izay narian’olona tsy fantatra no hitan’ny Fokonolona teo amin’ny tetezana Soarano, amin’ny lalana mihazo ny toerana misy ny borigadin’ny Zandarimaria ao Sakaraha tampon-tanàna, afak’omaly, tokony ho tamin’ny enina ora hariva. Raha ny fantatra, lohana vehivavy ity hita ity. Roa herinandro lasa izay, raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana no nahita razana nihosin-drà nitsirara teo ambanin’ity tetezana vao hiditra ny tananàn’i Sakaraha ity, izay miala kelin’ny orinasa Jirama raha avy any Toliara. Hatreto, raha ny fanazavana azo hatrany, tsy mbola fantatra ny nahavanon-doza. Efa misokatra moa ny ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro ny filaminana, ka ho hita eo ny tohin’ity raharaha mahavalalanina ny maro ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici