Halatra angady niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka tany Ankaramena Ivohibe, afakomaly. Tra-tehaky ny tompon’angady ity lehilahy iray, ka niantsoany vonjy. Vokatr’izany, nirohotra ny fokonolona ka nanampatra ny hatezarany tamin’ity mpangalatra angady. Vetivety dia vory ny olona ary nitaky ny hanaovana fitsaràm-bahoaka ilay lehilahy io. Fantatra fa efa naverin’ity farany anefa ilay angady ary efa tsy nametraka olana ihany koa ilay tompony, saingy ireo olona marobe efa nisahotaka be ihany ary tsy voatàna fa ny hanao fitsaràm-bahoaka ihany no nasesiny. Nitambaran’ny fokonolona teo ilay rangahy ary tsy namelan’ireo raha tsy tapitra ny ainy. Efa tsisy aina intsony vao tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nanokatra fanadihadiana ny zandary ary misy ny olona anaovana fanadihadiana. Naneho ny alahelony ary manaitra ny fitondràm-panjakana ny fianankavian’ilay rangahy maty mba hijery akaiky ity tranga ity satria tsy voahaja intsony ny zon’olombelona. Tsy voamarina mazava akory anefa raha tena nokasainy hangalarina tokoa ve ilay angady voalaza fa tratra teny an-tanany. Ny valin’ny fanadihadiana no hamaritra ny fahamarinany. Voararan’ny lalàna ary enjehina araka ny fitsarana kosa ny fitsaram-bahoaka, satria famonoana olona. Tranga efa matetika miseho eto amintsika, rehefa amin’ny vanim-potoana somary manahirana ny vahoaka. Any amin’ny fitsaram-bahoaka no anamparan’izy ireo ny alahelony. Raha resaka halatra angady toy izao, misy aza, halatra akoho mety hiafara amin’ny famoizana aina.
Yv Sam