- Publicité -
mardi 21 mars 2023
DomicileFaits-DiversFifamaliana tamin’ny resaka « chargeur » : Nolerany ny antsy ny «...

Fifamaliana tamin’ny resaka « chargeur » : Nolerany ny antsy ny « patron »-ny, maty tsy tra-drano

Vono olona mahatsiravina no nitranga tetsy Mahazoarivo Ambohidreny, taloha kelin’ny fetin’ny krismasy teo. Lehilahy iray mantsy no hita faty tao an-tranony, voatsatotsatoka antsy. Voarohirohy tamin’izany ny mpanampy tao an-trano.

Rehefa nisy ny fanadihadiana lalina ny zava-nitranga tao amin’io tokatrano iray io, izay tsy nisiana vaky trano na fanafihana, dia niantefa avy hatrany tamin’ireo olona tao an-trano, ny vady aman-janany ny ahiahian’ireo mpanao famotorana. Nanana fialàna matotra sy voaporofo avokoa anefa ireto farany. Ilay vehivavy mpanampy an-trano sisa no tsy nahita havaly intsony ka dia nibaradaka ny farany. Raha ny nambaran’ny fampitam-baovao dia resaka fifamaliana nisy teo amin’ity raim-pianakaviana hita faty ity sy ilay mpanampy no nahatonga ity farany namono nahafaty izany mpampiasa azy izany. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, dia tsy nisy afa-tsy izy ireo irery no tao an-trano. Ilay renim-pianakaviana, vadin’ilay rangahy, araka ny voalaza hatrany dia nandeha niandry marary tany amin’ny hôpitaly. Ny zanak’izy ireo vavy kosa, raha ny fampahafantarana nomen’ny pôlisy hatrany dia nanana dia naleha tany Anjeva. Araka izany, tsy fantatra hatreto izay tena nanosika ity mpanampy ity hanala ny ain’ilay raim-pianakaviana. Voalazany mantsy fa nifamaly noho ny resaka « chargeur »-n’ny findain’ilay rangahy tsy hita no niandohan’izany. Tsy nahatsindry ny fony noho izay intsony ilay ramatoa mpanampy ka naharay antsy. Avy hatrany dia nolerany tamin’izany ilay rangahy, nahazo teo amin’ny tendany. Nijininika ny rà. Tsy vitan’izay fa raha iny nitolefika iny dia mbola nolerany fanindroany teo amin’ny tratrany. Maty tsy tra-drano taorian’izay. Nitsoaka avy hatrany tao an-toerana ilay vehivavy taorian’io, namela ilay antsy feno rà teo. Antso avy amin’ny olona no nahafantaran’ny pôlisy ny fisian’ity vono olona ity tao amin’io tokantrano io, ary nidinan’izy ireo haingana tany an-toerana. Rehefa nanao ny fanadihadiana sy ny fitsirihana rehetra ireo mpanao fanadihadiana avy ao amin’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika voalohany etsy Anosy dia tonga tamin’ilay fehin-kevitra ny hoe tsy olona avy ety ivelany velively no namono ity lehilahy ity fa olona tao amin’io tokatrano io ihany. Marihana, hoy hatrany ny vaovao fa nandà hatramin’ny farany ny zavatra nataony ilay ramatoa, talohan’izay kanefa niaiky ihany nony farany. Omaly moa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity mpanampy nahavita namono ny « patron »-ny ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici