- Publicité -
vendredi, mai 20, 2022
DomicileFaits-DiversFonjan’Ikongo : Ravan’ny cyclone, Lycée sy Ceg no nametrahana vonjimaika ireo...

Fonjan’Ikongo : Ravan’ny cyclone, Lycée sy Ceg no nametrahana vonjimaika ireo gadra

Ravan’ny cyclone ny Lycée sy Ceg no nametrahana vonjimaika ireo gadra Gadra 155 no voatery nafindra toerana eny anivon’ireo toeram-pampianarana fototra, CEG sy Lycée ao Ikongo, noho ny faharavan’ny fonja, takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai tany an-toerana. Araka ny nambaran-dRtoa Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fitsaràna dia anisan’ny lasibatra nandritry ny fandalovan’ny rivodoza tany amin’iny tapany Atsimo Atsinanan’ny nosy iny ny fonja tao Ikongo sy Mananjary. « Lasan’ny rivotra ny tafo sy ny andrin-tafo, tao amin’ny fonjan’Ikongo. Dobo rano tanteraka ireo efi-trano rehetra nipetrahan’ireo voafonja lehilahy. Nitriatra ny rindrina. Voa torak’izay ny toerana nisy ireo voafonja vehivavy sy ireo zaza tsy ampy taona » raha ny tatitra nentin’ity tomponandraikitra ity. Vokatr’izay toe-javatra izay dia nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra noraisina tamin’ny famindràna ireo gadra aman-jatony tao an-toerana, amin’ny fiarovana azy ireo sy ny fisorohana tsy hisian’ny fanararaotana ihany koa. Ny sekoly tao an-toerana no namindrana azy ireo vonjimaika, raha ny vaovao azo hatrany. « Tsy afaka ny hijanona ao maharitra anefa izy ireo satria mety efa hianatra ny mpianatra amin’ny herinandro » hoy hatrany ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Ministeran’ny fitsaràna ity. Efa nisy araka izany ny fandinihana ny raharaha ka tapaka amin’izany fa mety ho afindra eny amin’ny « centre culturel », izay hany toerana lehibe afaka mandray ireto voafonja ireto. « Mbola misy fanamboarana madinidinika ihany koa anefa atao amin’izany trano izany, toy ny varavarankely, sns ». Raha ny nambarany tokoa mantsy dia mety haharitra fotoana elaela ny fanarenana ny fonja noho ny fahavoazana nahazo izany foto-drafitrasa izany. Raha ny any Mananjary indray dia ireo fefy sy tambohon’ny fonja ary efi-trano vitsivitsy nisy ireo gadra no nahitàna fahasimbana. Lasa ihany koa ny tafo nisy ny efitrano fitehirizana ny fitaovam-piadiana sy ny efitrano fiasàn’ny « chef de poste ». Efa miroso amin’ny fikaroham-bahaolana ny amin’izany moa ireo tomponandraikitra na ny eny ifotony na ny eo anivon’ny Ministera.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici