- Publicité -
jeudi, mai 26, 2022
DomicileFaits-DiversKaominin’i Mahanoro : Mpiasa vavy misoloky, tratra ihany ny farany

Kaominin’i Mahanoro : Mpiasa vavy misoloky, tratra ihany ny farany

Renim-pianakaviana iray miasa eo anivon’ny kaominin’i Mahanoro no tratran’ny polisy tao an-toerana noho ny fisolokiana avo lenta fanaony. Voalazan’ny vaovao hatrany fa vola an-tapitrisany maro no efa azony tamin’ireo karazan’olona samihafa nosolokiany. Ramatoa Linah na fantatra amin’ny tena anarany hoe Maria Adelline, 40 taona, ka ny resaka tany no tena fanaovany izany kolikoly izany ao Mahanoro ao, satria milaza amin’ireo olona solokiany izy fa afaka mikarakaraka izay tany tian’ny olona hananana, ka ampandoavany vola be ireo olona liana. Ampiasainy amin’izany ny anaran’ireo olona ambony eo anivon’ny fitsarana ambarantonga voalohany ao Vatomandry, ka isany voatonona amin’izany ny filohan’ny fitsarana sy  ny tonia mpampanoa lalana ary ireo tompon’andraikitry ny sampandraharahan’ny fananan-tany any an-toerana. Noho izay rehetra izay dia resy lahatra amin’ity ramatoa ity avokoa ireo solokiany, ka ahazoany vola be avokoa. Araka ny angom-baovao hatrany dia mampiasa hatramin’ny “quittance”-mpanjakana mihintsy izy ao anatin’izany na efa lany daty sy misy ny Sonia delegen’ny boriborin-tany teo aloha izay efa maty. Raha ny fanazavana avy any an-toerana dia hakany vola 3.000.000 ariary hatramin’ny 6.000.000 ariary ireo olona mandraharaha manantona azy ireo, nefa rehefa azony ny vola dia manomboka eo ny fandrirariana azy ireo. Ao anatin’izay raha misy olona mitaky ny vola aminy dia ampitahoriny olona ambony manana grady na kolonely izany ka lasa miforitra aminy avokoa. Nisy kosa anefa raim-pianakaviana iray nakan’ity ramatoa ity vola hatramin’ny 6.600.000 ariary, ka nitory azy teny amin’ny fitsarana ambarantonga voalohany tao Vatomandry, ka izay no nitarika ny fanadiadian’ny polisy tao Mahanoro ny raharaha. Raha ny fanazavan’ny polisy dia tsy latsaky ny olona 10 no nitory ity ramatoa ity, raha efa nahiditra am-ponja vonjy maika tao Vatomandry ity ramatoa Marie Adelline ity, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici