- Publicité -
samedi 2 juillet 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAmbatondrazaka : « Police des mines » notapahin-doha

Ambatondrazaka : « Police des mines » notapahin-doha

Notetehina tamin’ny antsy ny lohany sy ny hatony. Habibiana tsy roa aman-tany no nanjo ity mpitandro ny filaminana miasa eo anivon’ny sampandraharahan’ny harena an-kibon’ny tany. Ny asabotsy lasa teo no hita teo an-tanimbary ny fatiny, izay efa mihoson-drà tanteraka, teo Ambohitsilaozana. Rehefa nandeha ny fanadihadiana vao fantatra fa « police des mines » izy. Hatreto dia ahiana ho olana ara-tany no mety ho anton’ny famonoana. Raha ny vaovao avy any an-toerana mantsy dia nisy ady tany nitranga talohan’ity tranga ity. Nisy nikasa hibodo ny tany voalaza fa an’ity rangahy ity. Nisy anefa ny fifandaminana tao anatin’izany ary mba hialàna tamin’ny lonilony dia nampanantena izy fa hanome ny ampaham-bokatra ho an’ireo izay miady tany aminy, mba handaminana ny raharaha. Vao tsy niakatra akory anefa ny vokatra dia efa io hita faty, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana io izy. Nisy ny fanadihadiana nosokafana momba ity heloka bevava ity. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici