- Publicité -
samedi 2 juillet 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMaroantsetra : Ben’ny tanana maniraka mpanimba voly lavanila mampitaraina ny olona

Maroantsetra : Ben’ny tanana maniraka mpanimba voly lavanila mampitaraina ny olona

Mampitaraina ny vahoaka any Maroantsetra ny fisiana andian’olona manimba voly lavanila sy voly kafe sy ny maro hafa. Ny 21 avrily lasa teo, nisy andian-tanora maromaro avy ao amin’ny fokontany Ambodibaro sy Ambodimanga, kaomininaAmbodimanga, Maroantsetra, nanimba ny voly lavanila sy kafe ana fianakaviana mpamboly miisa telo. Simba tanteraka ny volin’izy ireo tamina velarantany 3 Ha. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa ben’ny tanàna iray no naniraka azy ireo. Tonga nitaraina tamin’ny Tambazotra Lampogno Maroantsetra ireo fianakaviana. Ny tambajotra izay miasa amin’ny fiarovana ny tontolo ianana sy fiarovana Zon’olombelona ary ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Ankoatra ny fanimbana voly dia teo koa ny fandratrana ankizy nataon’ireo andian’olona. « Mitaraina aminareo mpitondra, ny Loholona Besoa Eric, Filoha lefitry ny Antenimierandoholona amin’ny tapany avaratra mba hijery akaiky izao raharaha izao fa tsy vitan’ny miteraka hakiviana ho an’ny mpamboly fotsiny fa mampiady ny tanana mifanakaiky.. Tsy vao sambany no nandrava volin’olona tao amin’ny Kaomonina feheziny io Ben’ny Tanana io fa efa fanintelony izao ary mbola ao anatin’ny sazy miatona noho ny fanimbana voly ny volana janoary 2021 », hoy ny fitarainan’ireo tompontany.

« Ekena fa tsy isan’ny nandray antsy ny Ben’ny tanana fa raha zohina ny tantara momba ity raharaha ity dia tsy mihambahamba izahay milaza fa izy no rangory fototry ny afo », hoy ireo olona ireo. Milaza io ben’ny tanàna io raha ny filazan’ny fokonolona fa tsy misy olona misambotra azy raha mbola ao Maroantsetra. Nentin’ny fokonolona ao Maroantsetra renivohitra moa ny raharaha amin’izao fotoana izao. Nijery ny  raharaha ireo tompon’andraikitry ny fanjakana ao Maroantsetra toy ny « Procureur », ny kaomisera ary ny kaomanda ny borigady any an-toerana. « Nahita ilay voly efa simba moa izy reo dia nilaza sy nampanantena fa handray andraikitra », hoy ny fanazavana. Nilaza ny mpisolovava, Razafimbemanana Josie, miaro ireo simba voly fa anton’ny nanimbana ny voly dia anaovana kianaja filalaovam-baolina ilay toerana. Araka ny fantatra moa dia efa nandalo tany amin’ny distrika ity raharaha ity nanaovana  fifanazavana. Miantso ny manapahefana ambony ireto mpamboly mba ijery akaiky ny raharaha satria tsy manan-kivelomana izy ireo raha simabaina ny tanimboliny izay efa nisany am-polotaonany maro.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici