- Publicité -
mardi 28 juin 2022
DomicileFaits-DiversAmbondrona : Nisy nanimba ny totoho-bato

Ambondrona : Nisy nanimba ny totoho-bato

Voalohany dia totoho-bato manan-tantara, faharoa manarak’izany, làlana mampitohy kartie maro amin’Analakely. Isan’ny mba zava-bita tsara tamin’ny andron’ny tetezamita ilay toerana rehefa nohavaozina sy natao moderina kokoa. Izao anefa dia misy andian’olona izay manimba izany ary tsy fantatra izay tena antony. Ao anatin’ny alim-be ny efa-dahy farafahakeliny, raha araka ny hitan’ny sary voarakitry ny « vidéosurveillance », no mamaky izany. Ny mahatalanjona anefa dia hita niparitaka teo amin’ny manodidina ihany ireo vato nesorina. Mety hoe nisy nanelingelina an’ireo olon-dratsy tampoka angamba nandritry ny fikasàna hitatitra izany? Raha tsy halatra vato mantsy ity tranga ity dia azo eritreretina ho figafiana tsotr’izao fotsiny. Niparitaka eraky ny tambajotra sosialy ny sarin’ilay fanimbàna ary koa ireo tompon’andraikitra tamin’izany, saingy amin’ny alim-be ka sarotra ny nahita ny tavan’ireo olon-dratsy. Nilaza ny hijery akaiky ity ny mpitandro ny filaminana izay miandraikitra ny fiarovana iny boriborin-tany iny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici