Naharitra tapa bolana teo ho eo ny fanofanana tanora mpitsabo mpanampy izay nokarakarakin’ny fikambanana SmileTrain eto Madagasikara. Ny faran’ny herinandro teo no nifarana ny fampiofanana ka mpitsabo mpanampy manodidina ny 25 no nisitraka izany. Teratany vahiny , nahitana Amerikana, Afrikana sy vahiny hafa no nizara ny fahaiza manaony tamin’ireo mpiofana. “Ahoana no hanampiana ireo zaza vaky lanilany, na vaky molotra nahavita fandidiana ka tsy afaka hisakao”? Izay no niompanan’ny fiofanana tamin’ny tapany voalohany. Fampiofanana mahakasika ny fampianarana hahay hiteny aradalana kosa no andiany faharoa.
Zava-baovao eto amin’ny Nosy ity fampianarana ny zaza avy nodidiana hahay hiteny ity satria tsy mbola misy sekoly mampihofana izany eto raha ny fanazana. Mahavelom-panantenana ny zava-misy satria maro iroe tanora liana sy manampaniriana hiditra lalindalina kokoa amin’ity fampiofanana.
Tsy hijanona eo ny hetsika fa hisesisesy ny fampohofanana hoy ny mpikarakara satria arakaraky ny fampiharana no hananana traikikefa misimisy kokoa.
Andry N.