- Publicité -
mardi 28 juin 2022
DomicileFaits-DiversANTSIRABE : Zaza manodidina ny 70 isa hisitraka fandidiana taolana maimaim-poana

ANTSIRABE : Zaza manodidina ny 70 isa hisitraka fandidiana taolana maimaim-poana

Taoarian’ny fandidiana maimaim-poana ireo zaza misy olana eo amin’ny faritry ny tarehy toy ny sima, ny vaky lanilany na nisy faritra may ka niteraka fahasamponana amin’ny faritry ny loha, dia niroso amin’ny fandidiana ny taolana indray ny fikambanana “Enfant du noma” . Teratany vahiny 7 mianadahy ahitana dokotera mpandidy sy mpitsabo mpanampy no hiandraikitra ny fandidina ao amin’ny ivon-toeram-pitsaboana Santé plus eto Antsirabe. Efa roa taona no tsy nisian’ity fandidiana maiamaim-poana ity noho ny fikatonan’ny sisin-tany ka tsy nahafahan’ireo vahiny niditra teto amin’ny Nosy. Niverina indray izany ankehitriny ka zaza manodidina ny 60 na 70 eo ho eo no hisitraka izany fandidina taoana izany. Maro ny tranga fahasamponan’ny taolana  mety hitranga eo amin’ny zaza na hatrany ankibon-dreny izany na takaitra nateraky ny taona. Isan’ izany ny bingo, ny mivadi-palahadiha, na ratsan-tanana mihoatra na miraikitra na rehefa mety fahasamponana mitranga. Horaisin’ny “Enfant du noma” ny fandidiana azy raha toa ka azo hatao hoy Dr Rakotoson Lantoniaina Benjamina talen’ny Santé plus raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, misy amin’ireo zaza mantsy no tsy mila fandidiana fa fanitsiana amin’ny alalan’ny fitaovana no hatao, na torohevitra ara pahasalamana. 

Hiandraikitra ny fanaraha maso ireo zaza vita fandidiana kosa ny santé plus. Tsara raha mbola kely ny zaza dia manantona toeram-pitsaboana raha  misy fahasamponana amin’ny taolana satria mbola azo ahitsy izy ireny izany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici