- Publicité -
mardi 28 juin 2022
DomicileFaits-Divers« Certificat phytosanitaire » : Tokony aloha eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana ny sarany

« Certificat phytosanitaire » : Tokony aloha eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana ny sarany

Nampihofana teto Toamasina mikasika ilay « certificat phytosanitaire » angatahana sy omena amin’ny alalan’ny solosaina, ny talen’ny fiarovana ny zava-maniry eto amintsika. Ireo mpiasa na orinasa sy ireo mpikirakira entana eny amin’ny seranan-tsambo no nampihofanina tamin’izany. Araka ny voalaza mantsy dia tsy misy intsony ny fanomezana ny taratasy milaza izany manomboka izao, fa amin’ny alalan’ny solosaina avokoa no anaovana izany. Fiaraha-miasa tamin’ny « global alliance for trade facilitation » no nahavitana izany eto amintsina, satria ny tanjona dia fahafainganana amin’ny fanomezana izany vao mipetraka ny fangatahana noho ny fifanarahana ara-barotra mandeha haingana be ; eo koa fialana amin’ny « certificat » hosoka satria mahavoasazy ny fampiasana izany amin’ny fanondranana ireo zava-maniry sy ny mifandraika aminy. Ankilan’izany koa dia mila ialana ny fampiasana taratasy be loatra amin’ny fanomezana ilay « certificat » noho izany manimba ny tontolo iainana amin’ny fanapahana al amaro hanamboarana ny taratasy. Seranana 13 ahitana seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo no ampiasana azy ity, ka hisy avokoa ny fanofanana ireo mpikirakira entana amin’izy ireo avy. Ankoatra izany dia mampitaraina ireo mpikirakira entana (transitaires) ny zava-misy amin’izao, satria lasa niakatra avo efatra heny ny vola alohan’izy ireo ary omena mivantana ireo inspektera « phytosanitaire » ny vola amin’izany, izay voalaza fa saran’ny fanomezana ny « certificat » sy fiantsoana azy ireo manao ny fanaraha-maso eny amin’ny seranana-tsambo. Tsy malaina amin’ny fandoavana azy io ireo mpikirakira entana ireto satria ireo tompon’ny entana ihany no hakany izany, fa ny fangatahan’izy ireo dia aleo aloha eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana izany amin’izany misy ny « quittance » azo. Nambaran’ireo inspektera « phytosanitaire » ireo anefa fa efa 20 taona no tsy nihetsika izany vola alohan’ny tompon’ny entana izany, ka voatery nakarina izany amin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici