- Publicité -
mercredi 29 juin 2022
DomicileFaits-DiversMiaramila maty notifirin’ny dahalo : Nanao « opération » tany Ambohidratrimo ny Tafika

Miaramila maty notifirin’ny dahalo : Nanao « opération » tany Ambohidratrimo ny Tafika

Tsy niandry ela ny valin-kafatra ! Tanana maromaro any amin’ny kaominina Avaratsena Sahalemaka iny no fantatra fa hanaovan’ny eo anivon’ny Tafika hetsika manokana amin’izao, hampandriana fahalemana, hikarohana ireo dahalo fa indrindra ireo nahavanon-doza namono nahafaty ilay « Sergent chef » tany Beronono Anjozorobe.

Raha ny voalaza fa dia hoe tanana fieren’ny dahalo mpangalatr’omby sy mpaka an-keriny ny sasany tamin’ireo tanana ireo. Raha ny omaly manokana, araka ny re, dia somary mahery setra ihany ny hetsika nataon’ireto miaramila ireto, satria dia voalaza fa nisy ny fitifirana, ny fandoroana tanana ary tonga hatramin’ny fampiasàna « lance rocket anti-char » mihitsy aza tany amin’ny tanana antsoina hoe Mahavanina. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny isan’ireo tanana may na ny trano ao anatiny, ny isan’ny dahalo voasambotra sy ny maty vokatr’izay. « Ny azo lazaina aloha dia nisy ny hetsika ataon’ny Tafika any an-toerana. Saingy mbola ao anatin’izay tanteraka izahay ka tsy afaka ny hiteny firy. Tsy maintsy mbola hisy ny andro hitondrana fanazavana bebe kokoa aorian’ny hetsika » hoy ny fanazavana azo avy amin’ny Tafika Malagasy. Raha ny mahakasika ny hoe fampiasàna « lance rocket » kosa indray dianamaly tsotra izy ireo fa « tsy misy fitaovam-piadiana mahery vaika toa izany any amin’izy ireo any … ». Andrasana araka izany ny mety ho tohin’ity raharaha ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici