Tsy mbola milamina tanteraka hatreto ilay raharaha « Havoria » nivadika ho sakoroka niseho tao amin’ny tanàna antsoina hoe Tanabao Fitahia, any amin’ny distrikan’i Bekily, faritra Androy ny 16 aprily lasa teo. Raha tsiahivina dia ankilahy 16 taona no naratra vokatry ny tifitra nahazo azy rehefa nisy ny fifanjevoana tao anatin’io « lanonan-drazana » io noho ny olana ara-piaraha-monina teo amin’ny tompo-manjo sy ny solom-bavambahoaka voafidy tany amin’ity distrika ity. Ity farany izay nilaza fa tetika nomanina hamonoana azy iny korontana iny raha tonga hanatanteraka ny adidy amin’ny maha raiamandreny azy tamin’io fahoriana io izy. Nisy moa ireo olona miisa fito notorian’ity depiote ity ho tompon’antoka tamin’izany ary efa nanaovana famotorana sy nalefa teny amin’ny tribonaly, saingy nalefan’ny Lehiben’ny fampanoavana nody ireto farany rehefa voalaza fa tsy mitombona ny fiampangana azy ireo. Nanamafy izany fianakavian’izy ireo raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny zoma lasa teo mba hitondra fanazavana mahakasika ity raharaha ity. Nanizingizina ny mpitondra-tenin’izy ireo fa ny zanaky ny depiote no namoaka basy voalohany ka nitifitra avy hatrany noho ny hatezeran’ity solombavam-bahoaka ity fa tsy noraisin’ny tompo-manjo ny omby sy ny vola famangiana nateriny sy ny mpanara-dia azy tamin’io fahoriana io. tsiahivina fa ny rafozan’ny zanany no maty ka nanaovana « Havoria ». Nisy io fandavana io noho ny olana misy eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nambarany fa nisy ny fitoriana nataon’ny fianakavian’ny naratra tany amin’ny zandary noho io fitifirana io ary efa any ampelatanan’ny Fitsarana ny momba izany. Koa andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity.
T.M.