- Publicité -
samedi 2 juillet 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMvola diso lalana : Nalefa any Sambava, tonga tao Andraisoro

Mvola diso lalana : Nalefa any Sambava, tonga tao Andraisoro

Diso làlana tanteraka ilay vola rehefa diso koa ny laharana an-telefaonina nandefasana azy. Nitarika fidirana am-ponja ny mpikirakira ny « cashpoint » izany satria tsy nanaiky ny olona raha tsy nosoloina ny volany. Rehefa tsy ampy anefa ny teo am-pelan-tànana dia voatery nampiakarina teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Niakatra fampanoavana ny raharaha ary nidoboka am-ponja vonjimaika ilay rangahy. Saika tsy nisy nahafantatra ity raharaha ity raha tsy nisy ny fitarainam-badiny tamin’ny tambajotra sosialy ary nanaitra ny maro. Teo koa no nanomboka lasa lavitra ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Rehefa narahina ny laharana izay nandehanan’ny vola dia fantatra fa olona monina eo Andraisoro no nandray izany. Natao ny fisamborana io olona io. Tao anatin’izany, nanaiky ny namerim-bola izy ary nanomboka teo dia nizotra tany amin’ny raharaham-pihavanana ny raharaha. Nisintona ny fitoriana ny mpitory voalohany (ilay nitory mpikirakira cashpoint) rehefa tafaverina ny volany. Nisy dikany lehibe teo amin’ny fitsaràna izany ary dia nahazo fahafahana madiodio ny tompon’ny cashpoint taorian’izany. Marina fa nisy tsy fahamalinana tao anatin’ity tranga ity kanefa tarehimarika no lalaovina ary mety ho diso. Maro ny olona nikaza ho efa tratran’ny fahadisoana laharana nandefasana ireny mobilebanking ireny. Hatreto anefa dia tsy dia misy loatra ny vahaolana toa ny fanafoanana ny vola efa nalefa. Azo hatao ihany saingy raha tsy olona nandefasana vola no manaiky dia tsy misy azo hatao. Ny fitoriana indray dia mbola mila antanan-tohatra maro vao mety ho hita ny olona. Raha tsy ny fampanoavana no manome alàlana ny mpitandro ny filaminana ny hitady ny tompon’ny laharana dia tsy azo eny amin’ny orinasam-pifandraisan-davitra izany. Dia matetika ny olona, tsy te-hisahirana dia manaiky ny fahadisoana, very vola.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici