- Publicité -
mardi 9 août 2022
DomicileFaits-DiversLa Haute Ville : Mpandrongony efa-dahy voasambotry ny pôlisy

La Haute Ville : Mpandrongony efa-dahy voasambotry ny pôlisy

Iaraha-mahalala tokoa fa miparitaka izay tsy izy ny zavamahadomelina eto amintsika. Ankoatra ny rongony, mampivarahontsana ihany koa ny firongatr’ireo mpandray zavamahadomelina mahery vaika, indrindra fa eny eto an-drenivohitra. Raha tsy hiteny afa-tsy ity farany dia voalaza fa saika ireo faritra « ambany tanàana » sy be olona no tena ahitàna mpandray izany. Tsy izay intsony anefa ny zava-misy raha ny vokatra azon’ny avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zavamahadomelina no jerena. Vao ny alarobia lasa teo tokoa mantsy dia lehilahy efatra no voasambotr’izy ireo teny amin’ny La Haute ville. Mpivarotra sy mpidoroka zavamahadomelina tsotra sy mahery vaika avokoa.  « Loharanom-baovao no azon’ny polisin’ny STUP mahakasika ny fisian’ny lehilahy monina eny La haute ary mivarotra heroine ao an-tranony. Nanokatra fanadihadiana ny polisy ka voaporofo fa misy olona mifamezivezy matetika ao amin’ilay toerana voatondro ». Rehefa natao ny fitsongoana dia sy ny fametrahana paik’ady rehetra dia nisy tokoa ireo voasambotra tao, ankoatra ny fahitàna karazan-drongony tao an-toerana.  « Rehefa nosavaina ny tranony dia rongony 11 fonosana sy heroina milanja 20 grama no tratra ». Manodidina ny sivy alina ariary eo ho eo no ivarotany ny iray grama amin’izany rongony mahery vaika izany raha 1500 ariary kosa ny fonosana ho an’ireo rongony tsotra. Roa lahy moa ireto tratra teny ambony tanàna ireto. Fa nanampy azy ireo ihany koa ny fisamborana roa lahy hafa, tetsy Andavamamba indray, izay sady mpivarotra ihany koa no mpidoroka heroine. Efa samy natolotra ny Fampanoavana omaly avokoa moa izy ireo ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika.

Hita ho manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa ireo mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo fanetriben’ny firenena, mpanaparitaka itony karazan-drongony itony, kanefa somary mahavariana ihany. Ny eo voasambotra, ny eo mitombo ihany koa.

m.L

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici