- Publicité -
mercredi 29 juin 2022
DomicileFaits-DiversRN11A : Taxi-brousse sy fiara maromaro voaroba entana

RN11A : Taxi-brousse sy fiara maromaro voaroba entana

Tsara ny lalàna raha ny hatreto Antsampananana (RN2) mihazo an’i Vatomandry. Saingy ny avy eo hatrany Mahanoro kosa dia tena ratsy, hany ka mahazo vahana tanteraka ireo jiolahy amin’izany ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena RN11A izany. Araka ny fitarainan’ireo mponina sy ny mpitatitra any an-toerana dia eo amin’izany lalan-dratsy izany, izay tsy ahafahan’ny fiara mandeha mafy na tena hoe mijanona kely mihitsy no manararaotra manao ny asa ratsiny ireo mpandroba.

« Vao haingana kely izay, fiara mpitatitra avy ao aminay mampitohy an’i Mahanoro sy ny renivohitra no rovitra labasy teo anelanelan’i Vatomandry sy Ilaka Est. Tsy tsikaritry ny mpamily mihitsy izany toe-javatra izay raha tsy tany amin’ny tobim-piantsoanana. Entana maromaro moa no lasa », hoy ny fitantaran’ny tompon’andraikitra tao amin’ity kaoperativa ity. Marihina fa ireo fiara manao lava alina, izay miditra maraim-be any Mahanoro ireto lasibatra ireto, izay efa tsy iray tsy roa intsony. Fa ankoatra ireo fiara mpitatitra dia ataon’ireo olon-dratsy mitondra faisana ihany koa ireo fiarabe mpitaona entana. Araka ny fitantaran’ny renim-pianakaviana iray, monina ao Ilaka Est : « tokony ho tapa-bolana lasa teo izay, fiara mpitatitra entana avy any Vatomandry ho any Antanambao Manampotsy no lasibatr’izy ireo. Tsy nisy aina nafoy na naratra saingy lasan’izy ireo daholo ireo entam-barotra rehetra tao ». Velon-taraina araka izany ireo mponina, ny amin’ny tokony hijerena akaiky izany toe-java-misy izany.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici