- Publicité -
samedi 25 juin 2022
DomicileFaits-DiversAmbohitrolomahitsy : Nifampitana ny zandary sy ny dahalo 

Ambohitrolomahitsy : Nifampitana ny zandary sy ny dahalo 

Jiolahy rain-dahiny iray maty. Lehiben’ny dahalo iray, izay nampitondra faisana iny faritra avaratra sy atsinanan’Antananarivo no lavon’ny balan’ny zandary omaly vao maraimbe, tao Ampahitrizina, Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana. Tamin’io fotoana io, nisy ny fifanenjehana sy ny fifampitifirina teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny tarik’ity olon-dratsy ity. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa ela ity dahalo rain-dahiny mitondra ny anaram-bositra hoe « Fily » ity no karohin’ny zandary. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy halatr’omby maromaro tany amin’iny kaominina Ambohitrolomahitsy sy ny manodidina iny, izy sy ny ekipany : tao Ambohitrakely, Mandrosoa, Avaratrambolo sy ny maro hafa. Saika tafatsoaka foana ity farany rehefa avy manao ny asa ratsiny. Tamin’io omaly io, nisy ny angom-baovao azon’ny teo anivon’ny zandary avy ao amin’ny PA Ambohitrolomahitsy, izay eo ambany fibaikon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, fa miriaria ary mety mikasa hanao ny asa ratsiny tao amin’ny tanana antsoina hoe Ankadilalana, fokontany Ambohitrakely, Ing. Fily sy ny ekipany. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto mpitandro filaminana ary voamarina tamin’izay tokoa ny vaovao. Nisy ny fifanenjehana ary niafara tamin’ny fifandonana mahery vaika mihitsy izany tao avaratry ny tananan’Ampahitrizina, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Tamin’io fotoana io no nahavoatifitra ny iray tamin’izy ireo raha vaky nitsoaka kosa ny ambiny. Tamin’ny fizahana ny razana no nahitàna fa Ing. Fily ilay voatifitra, izay jiolahy efa ela nifampitadiavana. Tamin’ny fitiliana ny manodidina no nahitàna basy vita gasy iray sy bala « calibre 12 » anankiroa, izay inoana fa fampiasan’ireo olon-dratsy. Mbola mitohy moa any an-toerana ny fikarohana sy ny fanaovana hazalambo ireo olon-dratsy tafatsoaka, izay sahinin’ireo zandary any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici