- Publicité -
MG
jeudi 18 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAntanimena – Behoririka : Misy mamandrika môtô amin’ny tady ihany koa

Antanimena – Behoririka : Misy mamandrika môtô amin’ny tady ihany koa

Raha somary mangingina ilay fanafihana môtô mivantana eny an-dalana, ilay mody mianjera rehefa misy môtô mandalo, na ilay manapaka arabe tampoka, dia miroso amin’ny famandrihana ireo kodiaran-droa mandeha amin’ny alina indray ireo olon-dratsy, amin’ny alalan’ny fametahana tady, manapaka ny arabe. Teti-dratsin’ireto olona ireto amin’izany dia manenjana tampoka ilay tady rehefa sendra mandeha irery ilay kodiaran-droa. Dikany, tsy afaka ny hanajanona haingana ny fitaovana entiny mihitsy ny mpitondra izany ary tsy maintsy ho voa an’ilay tady sy hianjera aorian’izay. Mazava ho azy fa rehefa alina tanteraka sy tsy dia misy mpandeha iny intsony ny arabe no tena fanantanterahan’izy ireo ny asa ratsiny ary mazàna amin’ireo toerana mangingina. Nisy fotoana niparitaka tao anaty tambajotra sosialy ilay teo Anosibe, izay nofatoran’izy ireo tamin’ny « borne » ny tady ary natao nandady nanapaka ny arabe. Fa vao ny faran’ny herinandro teo dia saika tratra ihany koa tetsy Antanimena ambany, ilay avy any amin’ny ranomaimbo Behoririka iny. Nandamoka ny tetik’ireo olon-dratsy tamin’io, hoy ny fitantarany. « Sendra taratry ny jiron’ny moto mantsy ilay tady nanapaka ny arabe, ka tonga dia niverin-dalana aho » hoy izy. Raha ny filazany dia vao andro amin’ny fito ora sy sasany hariva io saika nahavoa azy, saingy alahady ny andro, vitsy tanteraka ny olona mindrana izany lalana izany, moa ny andro efa maizina rahateo. Mila mitandrina foana araka izany ireo mpitondra kodiaran-droa fa indrindra ireo voatery tsy maintsy mandeha alina fa tsy mitsahatra mahita tetika vaovao foana ireo olon-dratsy. Eny na dia efa hitan’ny maro aza ny ezaka sy ny fisafoana andro aman’alina ataon’ireo mpitandro filaminana, hiadiana amin’ity resaka tsy fandriampahalemana ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici