- Publicité -
samedi 25 juin 2022
DomicileFaits-DiversHalatra Jirofo 20 taonina teto Toamasina : Efa-dahy nampidiran’ny fitsarana MD, roa...

Halatra Jirofo 20 taonina teto Toamasina : Efa-dahy nampidiran’ny fitsarana MD, roa mbola karohina

Isany politikam-pitsaranan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina, ny tsy an-kitsitsy amin’ny famoahana ny “MD” amin’ireo tratra mamaky magazay sy manao halatra bevava. Isan’izany ity resaka halatra jirofo nataon’andian’olona tamin’ny magazay iray teto Toamasina ity, ka nampidirina am-ponja vonjy maika ireo lazaina fa atidoha taminy. Ny herinandro lasa teo no efa nanomboka ny fanadihadiana ny raharaha teny amin’ny zandarimaria misahana ny heloka bevava Hopitaly be Toamasina, raha ny talata 17 mai teo vao tonga teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny antontan-taratasin’ady. Olona maro no voarohirohy tamin’ity raharaha halatra jirofo tanaty na magazay ity, isan’izany ny renim-pianakaviana mpiasa jirofo, ny mpiambina ny magazay nisy ilay jirofo, ary ireo mpikirakira mpimbata entana tao amin’ilay orinasa. Tafiditra tao anatin’izany koa anefa ireo “trondro vaventy” mpividy ny halatra sy ireo mpanakarama ny jiolahy mangalatra ny entana sy mpitatitra izany ary ireo “panera” mpitady ireo mpividy ny entana halatra. Tsara marihina aloha fa vahiny ny tompon’ilay jirofo nisy nangalatra izay tsy nanaika mihitsy ka tsy maintsy nohadihadian’ny fitsarana avokoa ireo olona rehetra ireo. Raha nivoaka ny didin’ny mpitsara mpanao famotorana, izay mihazona ny “doyen” ny fitsarana vonjy maika, dia novotsorina avokoa ireo mpikarama rehetra tao anatin’ity raharaha ity, saingy anaovana fanaraha-maso ara-pitsarana (controles judiciaries) avokoa izy rehetra. Fantatra kosa anefa fa ireo efa-dahy izay heverina ho “trondro vaventy” ao anatin’ilay raharaha, ary mihevitra ny tenany ho tsy maty manota, no nahiditry ny mpitsara mpanao famotorana am-ponja vonjy maika ao Ambalatavohangy avokoa. Miandry ny fanadiadiana lalina ataon’ny fitsarana izany izy ireto vao hiroso ny fitsarana azy ireo izay mbola tsy ho fantatra mihintsy izany. Fantatra ihany koa izao taorin’izany rehetra izany fa misy jiolahy naman’izy ireo roa lahy, izay efa mpamerin-keloka nitsoaka, kosa mbola karohan’ny zandary misahana ny heloka bevava sy ny fitsarana amin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici