- Publicité -
dimanche 7 août 2022
DomicileFaits-DiversMpiasan’ny Seranan-tsambon’i Toamasina : Namboly zanakazo 3.000 tao Ambohimahasoa CR Vohitrambato…

Mpiasan’ny Seranan-tsambon’i Toamasina : Namboly zanakazo 3.000 tao Ambohimahasoa CR Vohitrambato…

Ny sabotsy misandratr’andro teo no nisafidianan’ny mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina, nambolena ireo zanakazo 3.000 nahitana ny Mandrofo – Bonara – ary Tsilaitra izay samy azo ala avokoa, ka tao amin’ny Tanana Ambohimahasoa fokontany Tanambe kaominina ambanivohitra Vohitranivona distrikan’i Brickaville no nanaovana izany. 

Tamin’ny velaran-tany 1,5ha teo no nambolena ireto zanakazo ireo, izay niarahan’izy ireo tamin’ireo mponina tao an-tananan’Ambohimahasoa. Efa toerana fambolen’ny Spat zanakazo indroa isan-taona nanomboka tamin’ny taom-pambolena zanakazo 2020 – 2021 ity toerana ity, saingy ireo zanakazo novolena teo tamin’izany izay nahatratra 3.000 fototra ary efa lehibe ireo zanakazo, dia tapitra may avokoa noho ny doro tanety nataon’olon-tsy fantatra hoy ny ben’ny Tanana Vohitranivona izay namafisin’ny lehiben’ny ala ao Brickaville. Raha ny fanazavana hatrany dia efa nosoloina avokoa ireo zanakazo may ireo amin’izao. Nanambara anefa Atoa Jaonasy Berchman izay lehiben’ny departemanta misahana ny tontolo iainana eo anivon’ny seranan-tsambo, fa efa mampiasa aro afo izy ireo amin’ireto zanakazo 3.000 vao novoleny ireto, ka hisy ny fanaraha-maso izany isaky ny telo volana amin’ny fanadiovana izay ataon’ny Spat hiarovana ny zanakazo tsy ho may tahaka ny teo aloha intsony. 

Orinasa tompon’andraikitra amin’ny toerana misy azy ny seranan-tsambon’i Toamasina, ka tsy maintsy manatanteraka izay fandaharan’asam-panjakana eo izy ireo noho izany, tahaka ny veliranon’ny filoham-pirenena ankehitriny ao amin’ny andininy faha-10.

Malala Didier

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici