- Publicité -
samedi 2 juillet 2022
- Publicité -
DomicileFaits-Divers67 ha nord : Tompon’andraikitry ny « cash-point »  maty voatifitra

67 ha nord : Tompon’andraikitry ny « cash-point »  maty voatifitra

Horohoro no niainan’ireo mponinina eny amin’iny faritra 67 ha Avaratra-Atsinana iny omaly tokony ho tamin’ny 6 ora tany ho any. Nirefodrefotra ny basy ka nanaitra ireo mponina. Teo vao samy nikoropaka ka nitady izay toerana niavian’izany. Nisy no nihevitra fa fanafihana « cash point » indray no nitranga satria misy izany tsy dia lavitra eo. Tsy izany anefa no nitranga fa lehilahy lehibe iray, tokony ho 55 taona, no hita fa nientefan’izany tifitra izany teo amin’ny kianjana basikety. Maty tsy tra-drano io olona io. Saingy ireo mpitifitra dia efa tsy hita intsony na dia tonga teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana, minitra monja taorian’ny savorovoro. Nitranga ity fanafihana mitam-basy ity raha iny handeha hihazo ny elankelan-trano mankany amin’ny fokontany Antohomadinika 3G Hangar iny ity lehilahy ity. Ny fanadihadiana no nahalalana fa tompon’nadraikitra ao amin’ny « cash point » iray  eny an-toerana tokoa ity lehilahy voatafika ity. Izay angamba no nahatonga ireo olon-dratsy nifofo ny ainy io fiandohan’ny alina io. Ireto farany izay tsy inoana marimarina fa nikasa handroba azy. Tsy fantatra noho izany na tanteraka tokoa io fikasan-dratsy io na tsia. Araka ny vaovao azo avy eo anivon’ny mpitadro ny filaminana izay manao ny fanadihadiana ankehitriny dia bala telo no niantefa teny amin’ity olona ity ka ny iray tamin’izany no nahavoa ny lohany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici