- Publicité -
dimanche 26 juin 2022
DomicileFaits-DiversFanaovana diplaoma Bepc sandoka : Karohin’ny pôlisy fatratra ireo olona ao ambadika

Fanaovana diplaoma Bepc sandoka : Karohin’ny pôlisy fatratra ireo olona ao ambadika

Mivoatra ny toe-draharaha ! Tsy nijanona tamin’ny fisamborana ilay tovolahy tratra nampiasa diplaoma Bepc hosoka, tamin’ny fifaninanana hidirana ho pôlisy teo mantsy ireo mpanao fanadihadiana fa niroso lalindalina kokoa amin’ny fikarohana ireo fanetriben’ny firenena tao ambadik’izany. Iarahan’ny rehetra mahalala tokoa mantsy fa raha olona iray tsy hahavita izany fa tsy maintsy misy tambajotra sy ekipa iray manontolo miara-miasa amin’ny ratsy ao. « Mbola tsy misy aloha hatreto ny voasambotra fa efa mizotra miandalana any amin’izay ny fanadihadiana », hoy ny fanazavana azo. Raha ny mikasika ilay tovolahy nampiasa izany indray dia taorian’ny andro nisamborana azy, ny herinandro lasa teo ihany, dia efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny lehilahy ary fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha tsiahivina tokoa ny zava-nisy. Nandritra ny fanangonana ny antontan-taratasy hifaninana hidirana ho pôlisy farany teo dia hita fa miavaka amin’ny rehetra ny diplaona « Bepc » nasehoan’ity ranamana iray. Toy ireny « baoritra » rehetra ihany saingy tany amin’ny fitombokase no naha samy hafa kely azy : fitombokase izay voalaza fa avy amin’ny ministeran’ny Fanabeazana, saingy miloko … manga ! Mazava ho azy, tsy mbola nisy taratasim-panjakana ka miloko manga ny fitombokase eo amboniny. Noraisim-potsiny tamin’izany ity tovolahy ary avy hatrany dia notanana ho amin’ny famotorana. Hosoka sy fampiasana hosoka amin’ny taratasim-panjakana moa no vesatra anenjehana azy. Heverina fa ho anatra ho an’ireo izay mbola sahy hiroboka amin’izany ity tranga ity. Tao ho ao mantsy dia sahy miseho vatana, tsy misy fahamenarana intsony ireo mpanome sy mpivarotra diplaoma hosoka, ao anaty tambajotra sosialy ao. Voalazan’izy ireo fa « tena izy io ary azo hamarinina eny anivon’ireo ivontoeram-panjakana rehetra miandraikitra izany».

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici