- Publicité -
samedi 2 juillet 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversFanoloana sefo fokontany tao Antsirabe : Nitroatra ny fokonolona, torana tsy nahatsiaro...

Fanoloana sefo fokontany tao Antsirabe : Nitroatra ny fokonolona, torana tsy nahatsiaro tena ilay sefo fokontany vaovao

Nokianin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany manodidina ny gara ny fomba nanesorana sy nanoloana ny sefo fokontanin’izy ireo. Tsy mba nisy, hoy ireo fokonolona, ny fakana hevitra tamin’ny fokonolona sy ny vaomiera fa izay olona metimety amin’ny mpitondra no napetrany hisolo toerana ny sefo fokontany. Ankaotra izay, tsy nisy fanajana fa toy ireny mandroaka akoho ireny ny nanoloana ilay sefo teo aloha, hoy hatrany ny fokonolona nanazava. Ny altsinainy lasa teo , tezitra ny fokonolona ka nanao rodobe nankeny amin’ny biraon’ny fokontany manodidina ny gara, nanala ilay sefo fokontany vaovao napetraka. Marihina fa mbola tovovavy ity sefo fokontany vao notendrena ity. Raikitra ny sakoroka, satria navoakan’ny fokonolona ilay sefo fokontany vaovao ary nakaton’izy ireo ny birao. Nitohy teo ivelan’ny birao ny fifamaliana. Asa, tsy nahatanty ny horakoraky ny fokonolona angamba ratovovavy ka torana tsy nahatsiaro tena. Nanazava mazava anefa ny fokonolona sy ny vaomiera teny an-toerana fa tsy ilay fanoloana ny sefo fokontany no tsy ekeny fa ny fomba nanatanterahana izany. Tamin’ny zoma faha 20 may no tonga tao amin’ny biraon’ny fokontany ny solontenam-panjakana avy amin’ny prefektioran’Antsirabe, nitondra ny taratasy mazava manambara ny fanoloana ilay sefo fokontany emperinasa , ary teo no ho eo ihany dia notanterahina izany, ka izay no tsy zakan’ny fokonolona nahatonga azy nanao izao hetsika izao. Efa ela no nandrenesana fa maromaro ireo sefo fokontany hosoloin’ny fitondram-panjakana eto Vakinankaratra. Isan’ny efa nosoloina ny sefo fokontany iray tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, distrikan’i Betafo, ka niteraka sakoroka tahaka izao.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici