- Publicité -
lundi 8 août 2022
DomicileFaits-DiversMoramanga : Lehilahy iray maty voahitsaky ny lamasinina

Moramanga : Lehilahy iray maty voahitsaky ny lamasinina

Lehilahy iray no voahitsaky ny lamasinina ka maty teo no ho eo, ny alatsinainy teo, tany Moramanga, teo anoloan’ny Hotely Bolo. Voahitsaka tanteraka mihitsy ilay rangahy io, ary araka ny filazan’ireo nahita maso dia nisy tamin’ny taovany mihitsy no  nipotsaka. Tapaka ny tanany, toy ny nizara roa mihitsy ny vatany.  Nambaran’ireo fianakaviany fa mamo ity lehilahy tra-doza ity tamin’izao loza izao. Nisy olana tao an-tokantranony ka nisotro izy mba hanalany adin-tsaina. Izy mamo no nandeha teny amin’ny làla-masinina, ka nianjera ary izy voahitsaka izao. Efa eo am-pelatanan’ny fianakaviana moa ny razana ankehitriny. Misokatra ihany ny fanadihadiana satria misy ny ain’olona nafoy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Efa mandray ny andraikiny rahateo ny mpitandro filaminana manoloana izany. Manentana ny olona rahateo ireto farany mba hitandrina ihany koa manolona ny fitaterana an-dalamby, satria mety hitera-doza tokoa, tahaka ity niseho ity, ary efa nisy ihany koa talohan’izao. Ny olona no mila mitandrina voalohany satria ny fiaran-dalamby tsy afaka ny hiala na hijanona eo no ho eo raha misy olona mitsirara na mandry amin’ny lalam-by. Eo ihany koa ny fiara sy ny moto izay mety hanapaka lalam-by kanefa mety ho misy olana mekanika tampoka. Manana anjara toerana lehibe ny fahatsiarovan’ny olona tena araka izany.

D.R

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici