- Publicité -
samedi 25 juin 2022
DomicileFaits-DiversZaza very : Voasambotry ny mpitaiza, tafaverina ilay zaza

Zaza very : Voasambotry ny mpitaiza, tafaverina ilay zaza

Ny olona no nahita ary ny serasera tamin’ny tambajotra sosialy no tena nanampy betsaka. Maro no nahatsikaritra ilay ombay mitady izay niparitaka tamin’ny « facebook », mahakasika fahaverezan-jaza. Voalaza teo fa nentin’ny mpiasa an-trano nitsoaka ilay zaza. Tamin’ny kaonty ofisialy an’ny fikambanan’ny frantsay manana firazanana indo-pakistanais eto Madagasikara no nahafahana nampahafantatra bebe kokoa ny zava-nitranga. Fara Leihman ny anaran’ilay zazavavikely ary vao telo taona monja. Ilay olona nokaramaina hitaiza azy indray dia vao dimy andro no niasa tao amin’ilay tokantrano. Dia io nanondrana io, asa izay tena ao an-dohany. Nanomboka ny marainan’ny alakamisy no niparitaka ny sarin’ireo olona roa, tamin’ny tambajotra sosialy. Betsaka no nahatsikaritra izany. Teny Ambaravarankazo-Ambohimanarina no nanaitra ny olona ny fisian’ny ramatoa mitrotro zaza. Ny tena nanintona ny sain’ny olona dia ny fitomanian’ilay zaza izay sady nikiakiaka be eraky ny làlana. Tao anatin’izany dia nisy nahamarika fa io ilay zaza very izay nandeha ombay mitady tamin’ny facebook. Vao vaky izay resaka izay dia avy hatrany dia nosakanan’ny olona ilay mpitaiza. Nitangorona teo ny olona ary rehefa nanontaniana ilay ramatoa dia tsy nilaza na inona na inona mihitsy. Nanomboka nantsoina tamin’izay ny lehiben’ny fokontany. Tao anatin’ny fifampiresahan’ny olona dia nisy nilaza fa mahafantatra ny fianakavian’ilay zaza. Nantsoina ary tonga teo tokoa ireo nanamarina. Teo dia efa voaporofo tokoa fa tena ilay zaza very io hita io. Tsy ela dia tonga ny ray aman-dreniny rehefa nampahafantarina ny vaovao. Nitondra zandary teny an-toerana izy mivady. Nosamborina avy hatrany ary nentina eny amin’ny biraon’ny zandary eny Ankadilàlana ilay mpangala-jaza izay miafina ao ambadiky ny asa fitaizàna. Ny zaza kosa vao nahita ny reniny dia avy hatrany dia niantsampy ary ninono. Mazava avy hatrany teo fa tena reniny tokoa io. Inona ny teo tanjon’ilay mpiasa? Andrasana ny mety ho valin’ny fanadihadiana izay andrandraina mba hampahafantarin’ny zandary raha sendra ka misy lesona mba azon’ny ray aman-dreny tsoahina mba ho fiarovana ny zanany. Fa tsy hoe hotànana ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana toy ny mahazatra indray kanefa misy lafiny mba tokony hanabeazana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici