- Publicité -
samedi 13 août 2022
- Publicité -
MG
DomicileFaits-DiversTovovavy very : Natsipy avy any anaty 4X4, tsy nahatsiaro tena

Tovovavy very : Natsipy avy any anaty 4X4, tsy nahatsiaro tena

Ny harivan’ny alakamisy teo no nisy nahita teny amin’iny faritra Ambohimiandra iny izy, rehefa avy nifampitadiavana sy nandefasana fikarohana eran’ny tambajotra sosialy. Nanomboka ny alatsinainy hariva no tsy hita nanjavonana intsony ity tovovavy 20 taona ity. « Tsy mbola misy azonay lazaina hatreto, ny zava-dehibe aminay dia hita izy, velona soa aman-tsara ary isaoranay be dia be an’Andriamanitra sy ireo olona rehetra, nifarimbona tamin’ny fitadiavana azy » hoy ny fanazavana azo avy amin’ny ray aman-drenin-dRanaivoson Ny Ony Sarah. Ny alatsinainy maraina tokoa, raha izy handeha hiala ao an-trano tetsy Ambanidia, handeha hianatra, no nahitan’ireo ray aman-drenin’i Sarah azy farany. Ny hariva, tokony ho tamin’ny fito ora latsaka fahatelony, nandefa hafatra fohy ho an’ny rainy izy, fa hoe « mbola miandry bus eo Ankadifotsy ». Izay no hafatra farany nifandraisany tamin’ireo ray aman-dreniny ary nanomboka tsy hita tany nanjavonana intsony ny tovovavy. Nanomboka tamin’io alina io ihany anefa dia efa nampandre ny mpitandro filaminana ny fianakaviana ary ny ampitso dia niparitaka eraky ny tambajotra sosialy Facebook ny filazana fikarohana azy. « Nampiasainay avokoa ny sehatra rehetra ahafahana nitady ny zanakay, moa tetsy andanin’izay, nanao ny azy ihany koa ny teo anivon’ny mpitandro filaminana ary ny vavaka isan’andro tsy adino satria fianakaviana kristianina izahay ». Telo andro katroka taty aoriana, nisy ny antso azon’ny iray tamin’ireo laharana napetraka tamin’ilay filazàna fikarohana fa nisy nahita teny amin’iny faritra Ambohimiandra iny izy. Niparitaka tao anaty tambajotra sosialy rahateo moa ny hoe « nisy nanipy avy ao anaty fiara 4×4 izy, nahitàna diana fatotra ny tanany, ary tsy nahatsiaro tena ». Ny teo anivon’ny fianakaviana moa, rehefa nanontaniana mahakasika izay dia nilaza fa « tsy afaka ny hilaza zavatra be dia be ». Ny teo anivon’ny mpitandro filaminana ihany koa, ny sampan-draharaha ny zandary misahana ny fikarohana heloka bevava, izay nandray an-tanana ny raharaha dia tsy nanamarina no sady tsy nandiso ny vaovao niparitaka. Nilaza fotsiny ny tomponandraikitra fa « mbola ao anatin’ny fanadihadiana rehetra ka tsy misy ny holazaina aloha ». « I Sarah amin’izao dia azo lazaina fa matanjaka ara-batana saingy ny ara-tsainy no hita reraka, noho ireo tranga nianjady taminy » hoy ny fanazavana azo tamin’ny fianakaviana hatrany. Andrasana araka izany ny mety ho tohin’ny raharaha.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici