- Publicité -
mardi 9 août 2022
DomicileFaits-DiversAntsirabe  Ambonivohitra : Halatra fiara, lehilahy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Antsirabe  Ambonivohitra : Halatra fiara, lehilahy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsy nahomby ny teti-dratsin’ireo, olon-dratsy saika hangalatra fiara Sprinter iray teto Antsirabe. Telo lahy no nikasa hanatanteraka izany saingy  tafaporitsaka tao anaty sakoroka ny mpamily no sady  tompon’ny fiara. Niantso vonjy ity farany  ka saron’ny fokonolona  izy telo lahy. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka moa ny iray fa tonga aloha ny mpitandro filaminana ka avotra ihany ny ainy, saingy ahiana mafy noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny faritry ny lohany.

Tao amin’ny fokontany Fiadanana Antsirabe Ambonivohitra no nisehoan’ity tranga ity ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitady fiara mpitatitra entana teo avaratsena ny iray tamin’izy telo lahy no sendran’ity Sprinter ity. Natao ny fifanarahana, nomena “avance” iray alina ariary ny mpamily, eny Fiadanana no hakana ny entana ary haterina ao Mandikanamana manodidina ny gara satria  olona hifindra trano no mila ilay fiara.

Maty paika ny tetika satria nambaran’ireo olon-dratsy fa amin’ny 6 ora hariva no  hakana ny entana satria mbola miasa daholo ny ao an-trano. Tonga ny ora nifanomezana somary efa maizimaizina ka roso  ny dia. Alohan’ny hahatongavana tao Fiadanana anefa dia niangavy ny mpamily ny iraika lahy fa misy dokera niandry teo amin’ny sisin’ny lalana tokony alaina. Vao niditra anefa ity farany dia sabatra lava lela no teny an-tanany, ny iray kosa nanambana basy avy aoriana ary iray hafa nanohana ny varavara tsy hivoha taty ivelany. Niezaka nanohitra ilay mpamily vao nahita ny fihetsik’izy telo ireto, tsy nipoaka rahateo ilay voalaza fa basy teny antanan’ny iray. Tafatsoaka ihany ilay mpamily rehefa avy nifampitana tamin’izy telo lahy ka afaka niantso vonjy. Vetivety dia tonga maro ny fokonolona ka raikitra ny hazalambo ka izao nahatrarana azy telo lahy izao.

Efa eo antanan’ny mpitandro filaminana ny raharahara, mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly kosa ny  iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka.

Andry N.

- Publicité -
Jovena
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici