- Publicité -
mardi 9 août 2022
DomicileFaits-DiversAndoharanofotsy : Tovovavy handeha hiangona, very tsy hita

Andoharanofotsy : Tovovavy handeha hiangona, very tsy hita

Ny alahadin’ny Pantekoty teo, tovovavy iray, manodidina ny 20 taona teo ho eo no tsy niverina intsony tao an-tranony, teny amin’iny faritra Andoranofotsy iny, raha nilaza fa handeha hamonjy fivavahana ny maraina. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nampilaza avy hatrany ny mpitandro filaminana ny ray aman-dreny mpiantoka azy.

Mazava moa ny baiko azon’ireo mpitandro filaminana amin’izao trangana fakàna an-keriny sy fahaverezan’olona niha-nirongotra tato ho ato izao dia ny amin’ny tsy maintsy hanaovana izay farahery hitadiavana ireo izay very. Ary miara-miasalahy amin’izany ireo mpitandro filaminana rehetra, na ny polisy, ny zandary ary tafika. Araka izany vao nahazo ity fampandrenesana ity ny mpitandro filaminana natonin’ireo ray aman-dreniny dia nisy avy hatrany ny fikarohana natao tamin’ny alalan’ny finday. Hita soritra tamin’izany fa any amin’iny faritra Andramasina iny no misy azy. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nampita tamin’ireo zandary tany amin’izany distrika izany ny momba ity tranga ity ary izy ireo no nanohy ny fikarohana, izay nitohy nandritry ny alina.

Nisy vokany izany, hoy ny fampitam-baovao azo, satria tamin’io alina io ihany dia hitan’ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobi-paritra Mandrosoa Andramasina izany tovovavy very izany. « Salama tsara izy » hoy ny vaovao.

Very saina. Tamin’ny fanadihadiana ny nahazo azy no nahafantaran’ireo zandary fa hoe « nanaraka olona tsy fantany akory izy ary toy ireny olona very saina ireny. Tsy nisy tadidiny ny zava-nitranga ankoatry ny fandalovany vetivety teo Ambatofotsy Ambalavao, distrikan’Atsimondrano iny, ary ny taorian’izay, dia ny nahatongavany tany Mandrosoa ». Nandritra izany fotoana rehetra izay anefa izy dia azo tamin’ny finday foana izy. Izay toe-javatra anisan’ny nampametram-panontanina ireo mpanao fanadihadiana ihany. Tena fakàna an-keriny sa fitsoahana niaraka tamin’ny sakaizany no nataon’ity tovovavy ity ? Ny zavatra rehetra notantarainy mantsy, tsy dia azo heverina ho mitombina loatra. Ankoatr’izay, izy rahateo avy any amin’izany distrika izany. Mbola hisy moa ny fanadihadiana lalina mahakasika ity tranga ity. Efa tonga naka azy tany an-toerana niaraka tamin’ny polisy misahana ny heloka bevava, izay nisahana voalohany ny fanadihadiana, ireo mpiantoka azy.

Mahakasika izay tranga fahaverezan’olona izay hatrany, dia voalaza fa nisy zaza kely iray, tsy hita tetsy Itaosy omaly, raha handeha hitsangantsangana niaraka tamin’ny ray aman-dreniny. Vetivety dia niparitaka tao anaty tambajotra sosialy moa ilay tranga. Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana ary hita soa aman-tsara, fotoana vitsy taorian’io ihany ity zaza ity.

m.L

- Publicité -
Jovena
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici