- Publicité -
MG
mardi 16 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMandritsara : Hita ny telo tamin’ireo namoy ny ainy nihotsahan’ny tany

Mandritsara : Hita ny telo tamin’ireo namoy ny ainy nihotsahan’ny tany

Olona telo tamin’ireo am-polony namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny toerana fitrandrahana volamena tany Sahantona, kaominiina Andohanjango, Mandritsara ho hita omaly antoandro. Ny 25 jona teo lasa  teo no nisehoan’ny loza, ka nanao ny asa fikarohana niady ny tany voatondro ho nisian’ny fihotsahana ny mpamonjy voina. Ny alatsinainy teo, hita aloha ny roa tamin’ireo razana raha toa ka nahitana iray hafa ny tolakandron’iny. Simba tanteraka ny razana ary saika tsy nisy namatarana azy intsony ireo vatana mangatsiaka. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo hafa mbola tavela any ambanin’ny tany hatramin’ny omaly. Nitrangan’ny fihotsahana tampoka tao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena tany an-toerana ny alin’ny zoma 24 jona lasa teo, ka olona am-polony no voalaza ho tototry ny tany tamin’izany. Nanamarina izany ny mpiara-miasa amin’ireo olona ireo, izay nahafantatra ny ankamaroan’ireo tototra tao. Efa tonga teny an-toerana moa ny tompon’andraikitra sy ny mpitandro filaminana nizaha ity loza ity. Misokatra ny fanadihadiana.Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici