- Publicité -
MG
mardi 16 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMorondava : Tafakatra 12 ny olona maty, nihinana soka-dranomasina

Morondava : Tafakatra 12 ny olona maty, nihinana soka-dranomasina

Dimy andro taty aorian’ny nisian’ilay tranga fanampoizinana ara-tsakafo, avy tamin’ny fihinanana soka-dranomasina tany amin’iny kaominina Bemanonga, distrikan’i Morondava iny, dia fantatra fa efa tafakatra am-polony maro ny maty.

12 no namoy ny ainy, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, 17 ireo mbola tsaboina any an-toerana, raha ny ao amin’ny hôpitaly Namahora, ary 44 no isan’ireo efa sitrana. Izay raha ny antontan’isa azo tany an-toerana vokatr’ity loza nitranga tany amin’iny faritra Menabe ity, raha ny omaly. Raha tsiahivina dia ny alarobia heriny teo no nitranga ity zava-doza ity tany amin’iny faritra Menabe iny, raha nanapa-kevitra ny hihinana soka-dranomasina, fantatra amin’ny anarana hoe “Fano Hara” ireo mponina tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Lovobe, kaominina Bemanonga. Sokatra hitan’izy ireo, efa maty teny amin’ny sisin-dranomasina izy ity ary nokarakaraina sy nifampizaran’ireo fianakaviana sy ireo mpiara-monina. Roa andro taty aoriana, nisy maromaro tamin’ireo nihinana an’ity soka-dranomasina ity no narary mafy ary niditra hôpitaly. Nisy mihitsy aza moa ny namoy ny ainy, izay saika samy ankizikely avokoa tamin’io fotoana io. Tafakatra hatrany amin’ny 40 tany ho any ny isan’ireo olona narary sy ireo tsy maintsy naiditra hôpitaly tany am-boalohany, izay nivoatra an-jatony taty aoriana. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa samy noraisina an-tanana sy nalefa teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo narary.

Taorian’io tranga io ihany dia efa nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Anisan’izany ny fanangonana ireo ambin-kenan’ilay sokatra namoa-doza, izay tsy maintsy hatao fitsirihana. Fanentanana ireo mponina ihany koa, tsy hihinana intsony ireo hena ireo ary handevina avy hatrany izany. Tetsy andanin’izay, efa nanokafana fanadihadiana ity tranga ity, ary ireo zandary eo anivon’ny tobim-paritra Morondava no miandraikitra izany. Ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny ministeran’ny jono sy ny toe-karena manga tany an-toerana ihany koa moa, tetsy andanin’izay dia tsy nitsahatra nandray andraikitra nanoloana ny loza ary nanentana ny hitandreman’ny tsirairay amin’ny fihinana ireo hazan-dranomasina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici