- Publicité -
MG
mercredi 17 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnalakely : Ankizy 12 sy 14 taona nanendaka vehivavy iray

Analakely : Ankizy 12 sy 14 taona nanendaka vehivavy iray

Vokatry ny fahantrana lalina ! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Compagine Urbaine d’Intrervetion ny ankizilahy roa 12 sy 14 taona rehefa avy nanendaka ramatoa iray teny amin’ny faritr’Analakely iny, ny antoandron’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 12 ora teo ho eo. Polisy miasa manodidina ny Plazza Analakely no nohatonin’ny ramatoa iray 34 taona, nilaza fa niharan’ny fanendahana. « Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto polisy ireto ka tratra teo akaiky teo ihany ny ankizilahy iray 12 taona izay fantatr’ilay ramatoa avy hatrany fa anisan’ilay mpanedaka azy », hoy ny fanazavana. Rehefa natao ny fanadihadiana momba ity raharaha ity dia niaiky ny heloka vitany ilay zazalahy no sady nanondro ny namany mpiray tsikombakomba aminy. Monina eny Ankasina io voatondro io ary mbola tsy ampy taona ihany koa, vao 14 taona monja. Mbola tratra tany amin’ilay namany tokoa ny findain’ilay ramatoa izay voalaza fa nendahin’izy ireo . Natolotra ny « Commissariat central » eny Tsaralalàna, ao amin’ny PMPM, ny raharaha noho ireto mpanao asa ratsy mbola tsy ampy taona.», hoy hatrany ny polisim-pirenena.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici